Zoma 14 Mey 2021

JAONA 3.9-15

Ny Zanak’olona no fanavotana ho antsika

Tsy azon’i Nikodemosy ny zavatra nolazain’i Jesoa mikasika ny fahateraham-baovao .

1-Ny fahatongavan’ny Zanak’olona

Ny teny hoe : Zanak’olona dia entin’i Jesoa ilazany matetika ny tenany . Miaina anaty fahoriana isika olombelona raha mbola eto amin’izao tontolo izao . Ny fidinan’i Jesoa tety an-tany sy ny fahafahany miakatra any an-danitra no ahafahantsika mifandray amin’Andriamanitra izay any an-danitra. Misantatra fiainan-danitra sahady isika izay manaraka Azy sy manana firaisam-panahy Aminy na dia mbola ety an-tany aza.

2-Ny fahafatesan’ny Zanak’olona

Ny fahotantsika no mahameloka antsika eo anatrehan’Andriamanitra . Tia antsika anefa Izy , ka naniraka ny Zanany mba ho fanavotana antsika. Ny fahafatesan’i Jesoa teo ambony hazo fijaliana no handreseny ny herin’ny ota sy ny fahafatesana satria mbola hatsangana amin’ny maty Izy ka ho velona mandrakizay .

3-Ny fisandratan’ny Zanak’olona

Ny anton’ny fidinan’ny Zanak’olona tety ambonin’ny tany dia ny hitondra antsika rehetra hiara-miakatra Aminy any an-danitra . Hasandratra ny Zanak’olona , hoy i Jesoa « Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’olona mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy  » (and14,15). Koa izay rehetra mino Azy dia hanana fiainana tsy misy heloka mitambesatra ao amin’ny fanahy , fiainana tsy andairan’ny fahafatesana intsony , fiainana anjakan’ny fitiavana tahaka ny nitiavan’Andriamanitra azy .

Fanontaniana :

Nahoana no tsy azon’i Nikodemosy izay nambaran’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV