Alarobia 12 Mey 2021

ROMANA 5.1-5

Efa namonjy antsika ny Tompo

Mitaona ny mpamaky ny mpanoratra mba hahaizany misaotra an’Andriamanitra noho ny fahasoavan-dehibe izay nomena antsika amin’ny finoana an’i Kristy . Asehony amin’izany fa :

1-Nohamarinina tamin’ny finoana isika (and1,2)

Nambaran’ny mpanoratra fa samy efa nanota isika rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra (Rom 3.20). Ankehitriny kosa dia asehony fa efa noravan’Andriamanitra ny efitra nampisaraka antsika taminy . Izy mihitsy no nanao izay hahazoantsika manatona Azy . Tamin’ny alalan’i Jesao Kristy no nahavitan’izany fampihavanana izany . Izay rehetra mino an’i Jesao Kristy dia mahazo toky fa efa nohamarinin’Andriamanitra ka tsy fahavalony intsony . Ary izany no ananantsika fahasoavana , dia tsy inona izany fa ny toeram-boninahitra eo akaikin’Andriamanitra . Izay rehetra eo akaikin’Andriamanitra ihany no hahita famindrampo .

2-Mahazaka fahoriana isika (and3-5)

Ary satria efa nohamarinin’Andriamanitra isika , dia miasa amintsika ny Fanahy Masina , ka manana ny hery enti-mandresy ny ratsy rehetra ao am-po sy eo amin’izao tontolo izao . Ka na dia mamely aza ny fahoriana sy ny loza dia tsy hampaninona antsika ireny . Ny fahoriana sy ny fizahan-toetra dia tonga mitaiza sy manadio antsika , raha mino an’i Jesoa Kristy ka mazoto mifikitra amin’Andriamanitra isika . Fa amin’izany no vao mainka mampiharihary ny hatsaram-panahy sy ny fanantenantsika an’Andriamanitra .Tsarovy Jesoa Kristy , fa ny fahoriana rehetra izay nihatra taminy dia vao mainka nampiharihary ny fahatsaran’Andriamanitra tao Aminy , ka nanehoany ny fahalemem-panahy rehetra , ary izany no nanandratana Azy .

Fanontaniana :

Hazavao ny hevitry ny hoe : « Mifaly amin’ny fahoriana » (and3)

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV