Alatsinainy 10 Mey 2021

GENESISY 41.37-46

Mampiorina antsika ny Fanahin’Andriamanitra

Sahiran-tsaina ny mpanjaka noho izy nanonofy hafahafa . Nampiantso an’i Josefa izy mba hanambara aminy ny hevitry ny nofiny . Mahagaga ny asan’ny Fanahy :

1-Manolo-tsaina

Nolazain’i Josefa tamin’i Farao ny hevitry ny nofiny . Nambarany ihany koa izay tokony hataon’ny mpanjaka manoloana izany . Ny Fanahin’Andriamanitra izay tao amin’i Josefa no nahafahany nanao izany rehetra izany fa tsy ny fahatakaran-tsainy fotsiny amin’izao (Gen 41.16) . Ny Fanahy Masina dia manolo-tsaina izay rehetra itoerany sy manaiky ny fitarihany . Manampy antsika amin’ny fahatakarana ny sitrapon’Andriamanitra Izy, na dia amin’izay zavatra heverina ho saro-pantarina indrindra aza . Mampahalala antsika ny tokony hatao amin’ny ho avy rehetra Izy raha manetry tena ka manaiky sy mihaino ny fitarihany isika .

2-Manandratra ny mpanompony

Nanaiky sy nankato izay rehetra nambaran’i Josefa ny mpanjaka ka nanendry azy ho mpanapaka ao amin’ny fanjakany . Afaka tamin’ny tranomaizina izay nametrahana azy i Josefa sady tonga praiministra tao Egypta . Fianarana ho antsika izao nasehon’iFarao izao : na dia hafa firenena aza i Josefa dia tsy nahasakana an’i Farao hanendry azy izany . Ny zava-dehibe taminy dia ny fahalalana fa olon’Andriamanitra izy . Ny olona izay hita sy tsapa fa itoeran’ny Fanahin’Andriamanitra no tokony hotendrena na hofidiana hanolo-tsaina sy alaina ho namana mpiara-miasa , raha tiana handroso ny firenena . Ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatintsika dia hanandratra antsika amin’ny fotoany ,na dia mandalo ady sarotra aza isika . Meteza Ă ry hanaraka ny fitarihan’ny Fanahy masina .

Fanontaniana :

Ahoana ny hevitrao mikasika ireo olona izay milaza fa mahalala ny hevitry ny nofy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2021

Jona: ANORENANA NY MAHA-KRISTIANA NY FINOANA

| | 20. Ala.III . man Trinite-Sampana Vokovoko Manga
Oha 23.26-35/ Mat 23.1-12/ 1 Pet 4.1-6

| | 27. Ala.IV man.Trinite
2 Mpanj 22.11-20/ Mat 16.13-19 / 1Kor1.4-9

Jolay: MIORENA AMIN'NY ANTSON'NY TOMPO

| | 04. Ala.V man Trinite
Gen 12.1-9/ Lio 5.27-32/ 2Tes 2.13-17

| | 11. Ala.VI man .Trinite-Sampana Tanora Kristiana
Eks 3.7-14/ Jao 10.1-10/ Asa 7.30-38

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADIKELY ILAFY