Alahady 09 Mey 2021
MARKA 13.9-11
Mialoha ny farany…
Nanatona an’i Jesoa ny mpianany vitsivitsy , dia i Petera sy Jakoba ary Jaona sy Andrea ka nanontany Azy misimisy kokoa momba ny famantarana mialohan’ny ihavian’ny faharavana izay nambarany . Tamin’izany no nampiomanany ny mpianatra fa :
1-Ho avy ny fanenjehana (and9)
Tsy maintsy hihatra amin’ny Apostoly ny fanenjehana mivaivay noho ny fanarahany an’i Jesoa sy ny fijoroany ho vavolombelony . Endrika maro no isehoan’izany , toy ny fiampangana eo anatrehan’ny manam-pahefana sy ny mpanapaka , ny fikapohana, ny fanagadrana sns… Tsy ho azy ireo ihany fa mandraka ankehitriny dia mbola mihatra amin’ny fiangonana sy ny kristiana maro eran-tany ny fanenjehana noho ny amin’i Jesoa Kristy . Ampaherezina ny mpino mba hiomana sy hiatrika izany ka tsy hihemotra .
2-Handre ny vaovao mahafaly ny firenena rehetra (and10)
Ny fanenjehana mivaivay dia tsy hahasakana fa vao mainka aza hampiely ny Filazantsara amin’ny olona rehetra sy ny firenena rehetra . Ny fanombohana an’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana no vao mainka nampiharihary ny vaovao mahafaly taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty . Arakaraka ny hamafin’ny fanenjehana sy ny fisian’ny maritiora no vao mainka nielezan’ny Filazantsara hatrany amin’ny faran’ny tany .
3-Hisolo vava ny mpianatra ny Fanahy Masina
Izany akory tsy midika hoe: tsy mila fanomanana ny asan’Andriamanitra mbamin’ny toriteny . Miasa ao anatintsika tokoa ny Fanahy , ary matetika aza no tsy araka izay nandrasana sy nokasaintsika ny fiasany . Tsy misakana antsika tsy hiomana . Ny mpino efa niomana sy vonona no iasan’ny Fanahy Masina .
Fanontaniana :
Inona avy ny fanenjehana efa nihatra taminao ? Ifampizarao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM