Sabotsy 08 Mey 2021

Rehefa ny Fanahin’i Jehovah no mitoetra amin’ny olona …

Ity faminaniana ity dia milaza ny amin’ny hivoahan’ny mpanjaka iray izay hitondra fiadanana ho an’ny olona . Ny mampiavaka io mpanjaka io dia ny fitoeran’ny Fanahin’i Jehovah ao aminy ( and2) . mitondra soa ho an’ny rehetra ny olona , satria :

1-Hanjaka ny fahamarinana sy ny rariny (and 2-5)

Ny olona itoeran’ny Fanahin’Andriamanitra dia manana fahendrena , ny fahazavan-tsaina na fahaiza-manavaka ny tsara sy ny ratsy , ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana na fahaizana mamolavola sy manatanteraka , matahotra an’Andriamanitra (and2,3) , tsy manaiky ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana, manohitra ny fanaovana tsinontsinona ny mahantra , manafay ny olon-dratsy (and 4,5) . Olona toy izany no azo antoka fa hahatafavoaka ny firenena anatin’ny fahantrana lalina . Aoka isika Fiangonana tsy hitsahatra ny hangataka amin’ny Tompo mba hiasa amin’izay rehetra nomeny fahefana ny Fanahy Masina , hahaizany manao ny sitrapon’Andriamanitra .

2-Hiainana ny fiadanana (and 6-9)

Ny fanehoana ny fiaraha-monin’ny biby mpifandramatra , mbamin’ny biby masiaka sy ny zazakely ( and 6-8) dia mampiseho fa milamina sy mandry fahalemana ny mponina ny tany rehetra . tsy hita taratra intsony ny tahotra sy ny tebiteby isankarazany , miverina araka izay naharian’Andriamanitra azy ny fifandraisan’ny olona samy olona , ary koa ny fifandraisan’ny olona amin’ny zava-boahary . ity faminaniana ity dia mampiseho amintsika ny fampihavanana nentin’i Kristy ho antsika tamin’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana izay mitondra ho amin’ny tena fiadanana sy fiainana mandrakizay . Hoy Jesoa:  » ...Fiadanana no avelako ho anareo… »(Jao 14.27)

Fanontaniana:

Inona no mampiavaka ny « olo-marina » sy ny « olona mahay » ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV