Talata 04 Mey 2021
ASAN’NY APOSTOLY 11.1-18
Ny Fanahy Masina dia mikasa ho famonjena ny olona rehetra
Nanome tsiny an’i Petera ny Jiosy mpino satria nandray ny Jentilisa ho isan’ny mpino izy . Inona no navaliny izany?
1-Ny Fanahy Masina dia mahatonga antsika ho sahy hijoro ho vavolombelona
Fantatr’i Petera mazava tsara fa fandikana ny lalàna Jiosy ny fiampangana (Asa 10.28) . marim-pototra eo anatrehan’ny lalàna Jiosy , ka tsy misy azo ialana, raha araka ny fisainana maha-olona . Kanefa , rehefa nampahafantarin’ny Fanahy Masina azy izay tena sitrapon’Andriamanitra dia tsapany fa mifikitra amin’ny fomba sy ny lalàna izay efa nofoanan’Andriamanitra ireto mpiampanga azy ireto . Sahiny ny hijoro ho vavolombelona hanohitra azy ireo . Sahiny ny nanazava ny anton’izao fandraisana ny Jentilisa ho isan’ny mpino izao . Ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia manafaka ny olona tsy ho andevon’ny fombafombam-pivavahana ivelany .
2-Ny Fanahy Masina dia mitarika antsika tsy hizaha tavan’olona ( and12 )
Niova fo ka nanaiky hatao batisa tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy ireo Jentilisa , ary nangataka an’i Petera mba hiara-mitoetra aminy andro vitsivitsy taorian’ny nanaovana batisa azy ireo (Asa 10.48). Nanaiky izany i Petera ka izany no nahatonga ny fiampangan’ny Jiosy azy taty aoriana. Tsy mba tahaka ny fijerin’ny olona ny fijerin’ny Tompo . Fa na dia izay heverin’ny olona ho fanao tsinontsinona sy maloto aza dia tian’Andriamanitra hovonjena . Ny olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia mampandefitra ny fahamboniany sy ny fiheveran-tena ho zavatra , ka mitondra famonjena ho an’ireo izay voahilikilika . Jesoa koa dia efa nampangaina satria niantrano tany amin’ny mpanota .
Fanontaniana :
Mbola misy fanavakavahana ve ao amin’ny Fiangonana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM