Dorkasy miara-mientana

DORKASY FOIBE 

Miara- mientana amin’ny fanompoana

Notanterahina manerana ny Synodamparitany 37 ato anatin’ny FJKM ny fanamarihana ny Alahadin’ny Sampana Dorkasy ny Alahady 11 Aprily 2021. Endrika maro samihafa no nentina nanamarika izany na dia teo aza ny tsy fahafahana nanohatra noho ny fisian’ny valan’aretina covid-19. Anisan’ny nanamarika izany ry zareo Dorkasy tany Nantes SP. 37. Rindran-kira ara-pilazantsara koa no nasehon-dry zareo Dorkasy any Sambava Afovoany ny tolakandro. 

Nisy ny fandaharana niombonana araka izany avy tamin’ny sampana Dorkasy Foibe. Izay nitondran’ny Mpitandrina RANDRIAMANANA Valimbavaka, filohan’ny birao Dorkasy Foibe FJKM fanentanana sy fankaherezana ny mpikambana Dorkasy tsirairay isam-pitandremana. Nambarany tamin’izany fa noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia feno 10 taona ny naha Tonian’ny Dorkasy Foibe FJKM ny Mpitandrina TRIMOZAFY Dyna, ka hiantsoana ny fiaraha – mientan’ny Dorkasy tsy ankanavaka sy izay rehetra tsara sitrapo izany fanamarihana izany. 

Karatra vokatry ny fo

Misy ny « karatra vokatry ny fo » afahan’ny Dorkasy tsirairay avy mandray anjara amin’ny famitàna ny trano « Diera ». Azo raisina eo amin’ny foibe Dorkasy Analakely izany ho an’izay mbola tsy nahazo araka ny fanentanan’ny Mpitandrina TRIMOZAFY Dyna, Tonian’ny Dorkasy Foibe.

Fihaonambe 2021

Raha sitraky ny Tompo dia hatao any Nosy Be kosa ny fihaonambe Dorkasy faha-12 ny 16 hatramin’ny 19 Septambra 2021. Amin’izany koa no kasaina hitokanana ny tranon’ny sampana Dorkasy « Diera ». 

Nanangona Veronica A

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV