Alarobia 14 Aprily 2021

EFESIANA 5.1-2

Ny mino manorina finoana

1-Manahaka ny Zanaka

Ny fanahafana no hamantarana ny fitohizam-piainana eo amin’ny ray amandreny sy ny zanaka . Hita taratra ao amin’ny zanaka no toetran’ny ray amandreny . Misy toetra mampiavaka ireo ray amandreny mipoitra any ampin’ny zanaka . raha izay fanahafan’i Kristy ny Rainy . « Izaho sy ny Ray dia iray ihany  » (Jao 10.30) . Hoy i Paoly : « Aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala » . Manambara izao Soratra masina izao fa malala eo imason’Andriamanitra isika . Zanaka tiany na inona na inona asehony amin’ny fiainantsika . Sarotra ny hanahaka an’Andriamanitra ho antsika mpanota . Dia nomeny ny zanany izay tena nanahaka Azy isika noho ny amin’ny fanehoam-pitiavany (Jao 1.18)

2-Mandeha amin’ny fitiavany

Mandehana amin’ny fitiavana , hoy i Paoly toy ny nitiavan’i Kristy anareo . Tsy izay fitiavana rehetra araka izany no handehanana fa toy ny an’i Jesoa . Fa maro tokoa ny fitiavana eto amin’ity fiainana ity fa tsy mitondra ho amin’ny famonjena : ny fitiavan’i Kristy no azo antoka satria nasehony tamin’ny nanolorany ny tenany hamonjy antsika (and2). Izay betsaka mpanaraka indrindra dia ny fitiavam-bola (1 Tim 6.10) . Ny fitiavan’ny olona dia mitia noho ny zava-misy tsara any amin’ilay tiaviny . Fa ny fitiavan’i Kristy kosa dia noho ny fahitany ny fahoriantsika . Ary nekeny ny hanolotra ny tenany ho fanavotana antsika (Jao 15.13) . Ny fitiavan’i Kristy dia tsy hay alain-tahaka raha tsy mandray ny Fanahiny Masina isika (Gal 5.22)

Fanontaniana :

Azonao antoka ve ny fiorenan’ny finoanao ?

Sampana Sekoly FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV