AFiFaB / Fanambarana
FANAMBARANA OFISIALY
Izahay eto anivon’ ny AFiFaB- FJKM (Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-Baovao),izay nomen’ny Foibe FJKM andraikitra hitantana ny pejy sy ny vondrona an’ny FJKM dia mamoaka izao fanambarana manaraka izao :
Ireto ireo pejy sy vondrona tantanan’ny AFiFaB FJKM ka andraikitry ny AFiFaB no misahana izany
1-Seraseram-pifandraisana FJKM
2-FJKM Foibe- Fiangonan’ I Jesoa Kristy
eto Madagasikara
3-GAZETY MARTURIA VAVOLOMBELONA
4-TRANONKALA FJKM (Site web FJKM)
5-Vontosy Filazantsara i Madagasikar
6-Radio Fahazavana Manerantany
7-Onjampeo Fahazavana Manerantan
8-F.T. V
Manamafy izahay fa ireto kaonty sy vondrona manaraka ireto dia TSY TANTANAN’NY AFiFaB – FJKM ary tsy an’ny Foibe FJKM na dia mampiasa sary famantarana (logo) sy anaran’ny FJKM aza izy ireo:
-FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA – FJKM (ofisialy)
-Fiangonan’i Jesoa Kristy Eto Madagascar- FJKM
-MOFONAINA (Andalan-tsoratra Masina isan’andro araka ny lohahevitra FJKM)
Ho fifanajana eo amintsika rehetra dia tianay koa ny milaza izao manaraka izao : Ireo mampiasa ny vokatra na ny sanganasa tsy nahazoana alalana an’ny FJKM ihany koa, ho fahazoam-bola dia ampitandremana etoana ny rehetra ary ampitandremana indrindra ny mpisehatra amin’izany.
« Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana » I Kor 14 : 33
Natao izao fanambarana izao ho fampahafantarana sy fampitandremana antsika rehetra.
Ny AFiFaB- FJKM (Fifandraisana FJKM)