Alatsinainy 12 Aprily 2021

LIOKA 24.13-24

Mampiorina ny mino ny fanavotan’i Kristy

1-Tsy mamela antsika ho irery Izy

Nandeha teny an-dàlana ho any amin’ny tanàna iray atao hoe : Emaosy ireto roalahy mpianatry ny Tompo . Teny an-dàlana dia very hevitra sy nalahelo noho ny toe-java-nisy , dia ny nisamborana sy namonoana an’i Jesoa izany . Ary raha nandeha izy ireo dia indro nisy olona fahatelo nanatona mba hiaraka aminy . Tsy iza io fa i Jesoa (and15) . Niseho ho mpanara-dia tamin’ireo mpianany Izy teto . Tsy nandeha nanara-dia fotsiny anefa i Jesoa fa niresaka tamin’izy ireo . Ary nanambaran’izy ireo ny fahorian-tsainy . Ao anaty fahoriana ve isika sa ao anaty fahasahiranana ? Tsarovy fa tsy mba manary antsika i Jesoa fa manjohy antsika hatrany . Meteza hiresaka Aminy ny amin’ny fahoriana sy ny adi-tsaina misy eo amintsika .Ahoana , hoy i Jesoa ? Mat 11.28). Ary koa (Jao 10.10)

2-Mitari-dàlana antsika Izy

Rehefa nandeha teny an-dàlana ireto mpianatra roalahy dia niresaka ny zava-nitranga izay nampalahelo azy ireo , dia ny fahafatesan’i Jesoa izay nantenainy ho mpanavotra . Rehefa niara-dàlana tamin’izy ireo Jesoa dia nametraka fanontaniana izao dia mamerina ny tantara tao an-tsaina sy tao am-pon’ireto mpianatra ireto . Tsara tokoa raha miverina manontany ny tena finoantsika isika amin’izao andro izao . Jereo ny and 22 fa nahavery hevitra ny mpianatra ny zava-nisy . Toa mifanohitra amin’ny filazany eo amin’ny and 19 izany . Izay nilazany fa Mpaminany nahery tamin’ny asa sy ny teny i Jesoa . Fantany tsara isika ka mametra-panontaniana Izy hampazava ny saintsika indray .

Fanontaniana :

Efa nisafidy ny hiara-dàlana amin’i Jesoa ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV