Alahady 11 Aprily 2021

ROTA 4.1-12

Mba hampahazava tsara ny tantara dia ireto misy zavatra vitsivitsy omena anao ety am-piandohana . Noho ny mosary nisy teo amin’ny firenena dia nivahiny tany amin’ny tany Moaba i Elimeleka sy Naomy vadiny ary ny zanany roalahy . Naka vady tamin’ny vehivavy Moabita ireo zanany ireo . Maty avokoa i Elimeleka sy ireo zanany roa lahy . Niverina nody tany an-tànanany i Naomy ary nanaraka azy ny iray tamin’ny vinantony dia i Rota izany . Nisy lehilahy iray atao hoe : Boaza izay fianakavian’i Elimeleka ihany naka vady an’i Rota araka ny hitantsika eto .

Mpanavotra azo hanorenana finoana i Jesoa

1-Satria voavidiny isika

Ny fanamabadian’i Boaza an’i Rota dia midika fitahirizany ny anaran’i Elimeleka , ilay vadin’i Naomy (and10). Tahaka izany fanavotan’i Boaza izany no fanavotan’Andriamanitra antsika ihany koa . Isika izay efa tsinotsinona rahateo noho ny fahotantsika. Kristy nividy antsika tamin’ny alalan’n Rany ary izany ny fototry ny fanavotany antsika ka nahatonga antsika hahazo fiainana vaovao ary tsy haringana ihany koa isika na dia tokony ho faty aza noho ny fahotantsika (1 Pet 1.19)

2- Nataony mpandova isika

Hitantsika eto fa navotan’i Boaza ny fananana rehetra namidin’i Naomy ary naveriny tamin’ny taranak’i Elimeleka (and9). Dia tsy hafa amin’izany koa ny fanavotan’i Kristy antsika rehetra . Nataony ho isan’ny mpandova ihany koa isika , mpandova ao amin’ny fiainana mandrakizay . Satria tonga zanany isika noho ilay zanany nanavotra antsika (Rom 8.17) . Tsy mba misy avy amintsika akory izany rehetra izany fa avy amin’Andriamanitra tokoa .

Fanontaniana:

Tsaroanao ve ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra teo amin’ny fiainanao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV