Zoma, faha 9 aprily 2021

Deoteronomia 32 ; 40 – 43

Mifalia ao amin’ny Tompo

Ity dia hiram-pandresena nataon’i Mosesy. maneho fa :

1-Andriamanitra manafay ny ratsy fanahy Izy

Tsy misy afaka amin’ny fahatezeran’Andriamanitra ny fahavalon’ny olony, satria voatahiry eo anatrehan’Andriamanitra ny ratsy ataon’ny olona. An’Andriamanitra ny famaliana araka ny tenin’i Paoly (Rom. 12:19). Niantefa tamin’ny fahavalon’ny Israely, izay nioty ny ratsy nafafiny ihany, tany am-boalohany, ny famalian’Andriamanitra. Mandrakariva dia mandray andraikitra amin’ny fahavalon’ny olony Andriamanitra satria marina ny Teniny (Eks. 23:22). Zava-doza ho an’ny fahavalo izany fa fiainana kosa ho an’ny olon’Andriamanitra.

2-Andriamanitra mitahy ny olony

Raha mafana fo tokoa Andriamanitra amin’ny famaizana ny ratsy fanahy dia tena dodona sy maika ihany koa Izy hamonjy sy hamela heloka. Izany dia asehony amin’ny fangorahany ny vahoakany. Asehon’Andriamanitra fa Izy ihany no mpifehy izao tontolo izao. Nitaona ny olona rehetra manerantany Mosesy mba hiara-paly amin’ny vahoakan’Andriamanitra satria Andriamanitra mihitsy no namaly ny ran’ny mpanompony sy nanonona fitsarana tamin’ny fahavalony. Misongadina eo amin’ny and. 43 fa manao fanavotana Izy ka mandrakotra ny fahotan’ny olony ary mamela ny helok’izy ireo ary manaisotra izany tsy ho hita intsony. Moa tsy izany va no ataon’Andriamanitra amintsika? Novonoiny tsy ho eo anatrehany ny fahotantsika raha mibebaka marina isika. Notanterahany tamin’ny alalan’ny zanany lahy tokana izany (Rom. 5:8).

Fanontaniana : Efa nambaranao ve izay nataon’ny Tompo taminao?

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV