Alarobia 07 Aprily 2021
HOSEA 13.14-15
Mpanavotra tokana sy azo antoka
1-Tsy mamela antsika ho very
Ny voalaza eo alohan’ity perikopa ity dia manambara ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny fahotana vitan’ny Zanak’Israely . Aseho tahaka ny vehivavy hiteraka eo amin’ny and 13 izany . Raha dinihana ny zavatra ataon’ny olona dia miroso mankany amin’ny fahotana , ny valin’izany anefa dia ny fahafatesana ( Rom 6.23) . Raha ny vitantsika olombelona dia tsy mba mendrika ny ho velona manoloana ny fahotana vitantsika isika . Ny antony tokana tsy hahavery sy tsy handringanana antsika noho ny hadalantsika dia i Jesoa manome fiainana ho antsika . Tsy misy na dia kely aza mety ho fandraisantsika anjara ho amin’ny famonjena antsika fa asany madio rano izany (Rom 5.8) .
2- Tsy manova ny tanjony
Ny tanjon’Andriamanitra manoloana ny olony dia tsy mba miova na inona na inona ataon’ny olona . Eny , tsy miova ny tanjon’Andriamanitra , fa Izy no Mpamonjy amin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita ary ny helo . « Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay » Heb 13.8 . Tsy manankery ny olona manoloana ny herin’ny fiainan-tsy hita misintona sy misambotra azy , saingy Andriamanitra manavotra ny olona tsy azon’ izany . Izao fihantsiana atao amin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita izao dia ateraky ny fanantenana mavesa-danja amin’ny fanavotana tsy miova avy amin’Andriamanitra . Fa na dia ny fahafatesana aza no lalana izoran’ny olona noho ny fahotany dia fiainana kosa no tanjon’Andriamanitra (2 Tim 2.11-13)
Fanontaniana :
Inona no efa fiovanao manoloana Ilay tsy miova ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM