Talata 06 aprily 2021
Jaona 21 :9-14
Mampiorina ny mino ny famonjen’i Kristy
1-Manomana sakafo ny Tompo
Ireo mpianany tsy nahazo na inona na inona nandritry ny alina. Tsy nahita izay hanin-kohanina no nanomanan’ny Tompo sakafo. « Hoy Jesoa taminy : avia hisakafo ». Jesoa nanara-maso ny mpianany ary niditra an-tsehatra nanampy ary nanome hanina sahaza. Amin’ny fotoana hitotototoantsika ka tsy hahitantsika mangirana eo amin’ny fiainana dia manara-maso antsika Andriamanitra. Aza manalavitra Azy fa avelao Izy hiteny amintsika. Manana mandrakariva izay hatolony ho antsika Andriamanitra dia ny sakafo mahavelona ho antsika izany. « Tsy mofo ihany no hivelomany olona, fa ny teny rehetra izay aloaka ny vavan’Andriamanitra » (Mat 4.4).
2-Manolotra sakafo ny Tompo
Ny mpianatry ny Tompo raha nandeha nanarato dia tsy hoe satria te hiverina amin’ny asany teo aloha tsy akory fa noho ny hanoanana. Mpahazo ny olona rehetra izany ka nahazo ny mpianany ihany koa. Tonga i Jesoa nanolotra mihoatra izay notadiavin’ireto mpianany ireto. Ity fanolorana sakafo nataon’i Jesoa ity dia fanovana ny toe-javanisy teo amin’ny mpianany. Ilay alina mangina nivezivezena teny ambony sambo. Ilay fahaverezan-kevitra nateraky’ny tsy fahombiazana tamin’ny fanaratoana no indro tonga fihaonam-pitahiana fifanolorana sakafo mahavelona. Ilay maty ka nahavery hevitra ny mpianatra no indro velona ka manolotra fahavelomana ho antsika olombelona (Jao 10.10b)
Fanontaniana :
Mahatsapa ve ianao fa mbola mikarakara anao i Jesoa ?