Alatsinainy 5 Aprily 2021

Eksodosy 14 : 5-14

Andriamanitra manolotra famonjena

1-Famonjena manala tahotra :

Nihorohoro ny zanak’Israely raha nanopy ny masony tamin’ireto miaramila Egyptiana izay nanenjika avy aoriana. Ao anatin’izany adin-tsaina izany no indro miditra an-tsehatra Andriamanitra manambara izay hataony. « Aza matahotra ianareo !…fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay ». Ny tahotra no manjaka ao amin’ny olona rehefa miatrika fahavalo. Tsy tezitra Andriamanitra na mafy loatra aza ny fanomezan-tsiny ataon’ny olona eo amin’ny and.11. Ny fototry ny tahotra no ambaran’Andriamanitra fa tsy ho hita intsony. Aza matahotra io olona io, anio ihany no hahitanao azy farany satria hamonjy anao Andriamanitra. Vakio ( Jaona 3.16)

2-Famonjena manala ahiahy

Mazava fa feno ahiahy ny zanak’Israely manoloana ity ranomasina eo aloha, Farao sy ny miaramila aoriana. Tsy nisy na fitaovam-piadiana aza teny an-tanan’ Ilay mpitarika nitondra azy nivoaka tao Egypta. Tehina no mba teny an-tanany. Fantatr’Andriamanitra loatra ny ao am-pon’ny olony izay feno fanahiana satria niteny Izy hoe : «  Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina ». Andriamanitra mandray andraikitra, no hita eto. Fantany ny fahalemen’ ny olony ary izay tandrify izany no ataony. Fantany fa tsy afaka hifanandrina amin’ny Farao sy ny miaramilany ny zanak’Israely fa Izy no hirotsaka ao an-tanim-piadiana. Isika ihany koa raha mametraka ny adintsika Aminy dia hiditra an-tsehatra Izy hiady ho antsika amin’ireo fahoriana sy ady atrehantsika mba tsy hananantsika ahiahy.Moa tsy marina amintsika ve ny Romana.8.32 ?

Fanontaniana :

Hatraiza ny fatokianao an’Andriamanitra ?

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV