Fiarahabana PASKA 2021

MATY ANGAHA ANDRIAMANITRA ?

Ry havana malala,

Velona i JESOA! –Eny, velona tokoa i JESOA!

Koa miarahaba antsika rehetra nomen’Andriamanitra izao Paska 2021 izao: Ho aminao anie ny fiadanana, araka ny fiarahaban’i JESOA nitsangana tamin’ny maty.

Ary ny fitsanganany tamin’ny maty dia fandresen’ny Fiainana!

Roahin’ny finoana ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ny toetra maty fahavelona, maty eritreritra, rehetra.

Ongotan’ny finoana ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ny filavoana lefona eo anoloan’ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy rehetra.

 Arodan’ny finoana ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ny manda fito soson’ny fahakiviana rehetra .

“fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa i Kristy” (I Kor.15.20)

Nisy nitantara hoe: I Martin Luther, ilay mpanitsy fivavahana tamin’ny Taonjato faha-16 niteraka ny “Fiangonana Loterana”, dia nisedra ady mangotraka tamin’ny fanaovana izany fanitsiam-pivavahana izany. Ary tahaka ny nanjo an’i Elia, ao amin’ny Baiboly, dia latsaka tao amin’ny fahakiviana lalina izy. Rehefa nahita izany ny vadiny, dia lasa nanao akanjo mainty, dia nankao an’efitranony. Gaga i Luther raha nahita azy ka velom-panontaniana hoe:

-Fa iza no maty no misaona be toy izao ianao?

 –Maty Andriamanitra! hoy ny vadiny .

-Aza miteniteny foana ianao! hoy i Luther tezitra !

Fa namaly mora Ramatoa vadiny ka nanao hoe:

-Ka raha tsy maty ve Andriamanitra, ho kivy toy izao i Luther mpanompony?

Izay no  nampiredareda ny finoana tao am-pon’i Luther  indray fa hay tsy maty tokoa Andriamanitra, ka nahoana izy no ho kivy? Dia nanohy ny fijoroany izy.

Ary ny Andriamanitrao: maty sa velona ?

            Mirary Paska sambatra, ry Havana.

            Ary ho an’Andriamanitra velona irery ny voninahitra!

Ny Filohan’ny FJKM

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV