Sabotsy 03 Aprily 2021
Hebreo 9 :11-14
Ny mino miorina amin’ny fanavotan’i Kristy
1-Miaina amin’ny Fitiavana sy ny famelan-keloka :
Ny Faratampon’ny fitiavany eto no atolony sy asehon’i Jesoa Kristy, dia ny nanolorany ny ainy sy nandatsahany ny Ràny mba hahafahany mpanota mihavana sy mihaona amin’Andriamanitra (Isaia 59.2). Voamarika eo amin’ny and 7 fa voarara tsy hiditra amin’ny fitoerana masina indrindra na ao amin’ilay tabernakely faharoa ny olona rehetra eny fa na ny mpisorona aza. Noravan’i Jesoa Kristy io elanelana io tamin’ny nanomezany ny Ràny ka rava teo ilay efitra nampisaraka ary foana teo koa ny fanamelohana noho ny ota. Noho izany , ampy andraisantsika ny famelan-keloka ny finoana dia fanadiovany antsika amin’ny Rany rehefa miaiky sy mibebaka eo anatrehany isika amin’ny ota maha solafaka antsika ( Romana 8.34)
2-Manompo an’Andriamanitra amin’ny fahamasinana
Ny olona niaina tamin’ny andron’ny Testamenta taloha dia tsy afaka nankeo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra, tsy nanana fiombonana lalina tamin’Andriamanitra raha tsy nitondra fanatim-panadiovana na fanatim-panavotana tamin’ny alalan’ny ràn’ny osilahy na ràn’omby lahy. Ankehitriny kosa efa nohamarinina tamin’ny Ràn’i Kristy ny mino ka afaka manantona sy manompo an’Andriamanitra amin’ny fieritreretana madio sy amin’ny finoana tsy misy tsiny eo anatrehany. Noho ny Ràn’i KrIsty izay miantoka ny fanadiovana ny mino dia voaorina tsara koa ny fanavotana azy hananany fiainana mandrakizay. Fahasoavana izany koa meteza ho dioviny mandrakariva ka manompo Azy amin’ny fahamasinana ho fiderana Azy sy ho voninahiny (Efe 1.7-14)
Fanontaniana :
Inona no havalinao ny fanavotan’i Jesoa anao ?