vondromparitany Laika/25T

Mankalaza ny faha 25 taonany                                                 

Ao anatin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-25 taonany ny Vondrom-Paritany Laika (VPL) eo anivon’ny sahan’ny FJKM amin’izao fotoana izao. Teny faneva noraisina ny Heb.10:24  “ Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara ”.

Ny Fanokafana dia ho tanterahina ny Sabotsy 21 martsa 2021 any amin’ny FJKM Vatomandry. Ny Ivony ho tanterahina ny Sabotsy 27 martsa 2021 ao amin’ny FJKM Ankadikely, ary ny Famaranana dia hatao ny Sabotsy 30 oktobra 2021 any amin’ny FJKM Antanimena-Atsinanana

Misy ny hetsika lehibe karakarain’izy ireo ny Alatsinain’ny Paska 05 Aprily 2021 tontolo andro eny amin’ny kianja Isahafa, kaomina Anosy-avaratra, ahazoana miara-miravoravo amin’ireo mpiara-mivavaka amin’ny fomba mendrika, masina sy marina. “SAHAM-PAMONJENA” no anarany. “Saha” hilazana sehatra hihaonana mba ahazoana “ hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara” araka ny teny faneva. “Famonjena” noho ny nandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana ka tokony hifalian’ireo voavonjy rehetra dia ireo Vahoakan’Andriamanitra. Ao anatin’ny hetsika ny “Deram-pamonjena” : izay Rindran-kira iarahana amin’i Ariane, Christian K, Mialy Rakotomamonjy…, sy ahitana slam, fifaninanana hira ho an’ny VFL, ary fanapariahana ny Soratra Masina; Lohahevitra hafa koa ny hoe: “Fantariko ny Famonjena” : Fanompoam-pivavahana in’efatra (4) ka ny Toriteny dia tontosain’ireo Filoham-Piangonana eo anivon’ny Faritany FFKM Avaradrano; Ny “Fahafoizana”-Setrin’ny famonjena” : dia fampahafantarana ny LAMAKO, “Asa”-Setrin’ny famonjena : Fivarotana sakafo sy fanalana hetaheta ary vokatra fahatsiarovana, kilalao isan-karazany, sns.

Ny hetsika dia ampahafantarina sy hanasana ny olona rehetra tsy an-kanavaka : na VFL na SSA hafa, na SP Iarivo-Avaradrano na ny mpianakavin’ny finoana rehetra eo anivon’ny FJKM na ivelany ankoatr’izay, na Kristiana na tsia. Mpandray anjara miisa 5 000 no heverina ho tonga amin’ny hetsika.

Laatr kely/ Zokieva/ Ra-Vast

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV