SAMPATI / Dinika fampandrosoana

SAMPATI FOIBE FJKM

« Aoka hirehitra ny jironareo, Miorena tsara amin’ny finoana » Lio.12,35 ; IPet.5,9


DINIKA ASA FAMPANDROSOANA SY FANANGANANA SAMPAN-DRAHARAHA


Tanteraka tamin’ny Alatsinainy 15 Martsa 2021 lasa teo ; tao amin’ny Foibe FJKM varavarana 201, ny
DINIK’ASA FAMPANDROSOANA SY FANANGANANA NY SAMPANDRAHARAHA SAMPATI FJKM. Ny
anton’izany moa dia ho fanantanterahana ny fanapahan-kevitry ny Zaikabe faha-VIII, izay natao tany
Fenerive-Est ny 06-11 Oktobra 2019 lasa teo. Izay nanapa-kevitra fa hatsangana eo anivon’ny Foibe
SAMPATI ny SAMPAN-DRAHARAHA ho tan-tsoroka amin’ny fampandrosoana SAMPATI FJKM, sy ho
fanatrarana ny vina SAMPATI FJKM. Ireo SAMPANDRAHARAHA ireo dia misy efatra :

  • SAMPANDRAHARAHA SERASERA (fifandraisana) izay hisahana mivantana ny serasera, fananganana
    dinidinika ifotony isam-pitandremana sy Synodamparitany na ny eto an-toerana na ny any Ivelany,
    hijery manokana ny filam-piofanana sy ny lafiny Ara-panahin’ny SAMPATI FJKM.
  • SAMPANDRAHARAHA TETIKA ASA SY LOHARANOM-BOLA MAHARITRA, izay hisahana mivantana ny
    lafiny fananganana (fandrafetana) sy fitadiavana tetik’asa ary hijery izay hitantanana ary ho
    fampandrosoana ny loharanom-bola maharitra an’i SAMPATI FJKM, indrindra ny fampiasana ireo efa
    misy toy ny MANA SOA sy ny tany SAHA SAMPATI eny Ankadiefajoro.
  • SAMPANDRAHARAHA FITANTANANA OLON-DEHIBE, ity kosa indray dia hisahana manokana ny
    fijerena ireo olon-dehibe maro, na ny amperin’asa na ny efa any amin’ny sehatra hafa saingy
    nandalo tao amin’ny SAMPATI FJKM, ao ihany koa ireo olona hafa na eto an-toerana na any ivelany
    ho loharano sy tohana amin’ny fampandrosoana ny SAMPATI FJKM. Izy koa no hijery manokana ireo
    tokony ho fankasitrahana ireny olona ireny, indrindra ireo Raiamandreny, sy tompon’andraikitra teto
    amin’ny SAMPATI FJKM.
  • SAMPANDRAHARAHA FIFANDRAISANA AMIN’NY MINISTERA SY ONG : Ity vondrona ity indray kosa
    dia hijery manokana ny lafiny, fiaraha- miasa mivantana amin’ny ministera sy ny ONG na ny eto an-
    toerana na koa ny any ivelany. Fikarakarana ny taratasy, fankam-baovao ary fampifandraisana izany
    amin’ny foibe SAMPATI.
    Tapaka araka izany fa isaky Alatsinainy voalohany amin’ny volana amin’ny 11h-12h30 ny fotoam-
    pivoriana sy fifampitondrana am-bavaka sy dinik’asa. Ny Toerana dia eto amin’ny foibe FJKM na
    amin’ny fiangonana manodidina. Koa ny Alatsinainy 12 Aprily 2021 izao no fihaonana manaraka ; izay
    mbola hanasana hatrany antsika mpikambana rehetra.
    Nitarika ny fotoana sy ny nitondra ny hafatry ny Tenin’Andriamanitra ny Tonia, ary nandrindra ny
    fotoana ny Birao Foibe izay notarihin’ny Filoha.

SAMPATI FOIBE

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV