Alahadin’ny AFIFAB 2021


ASA FIFANDRAISANA SY FAMPAHALALAM-BAOVAO
«Miorena tsara, aza miova» (I Korintiana 15/58)
MAMPIORINA NY MINO NY FIZAHAN-TOETRA
Alahady 28 Martsa 2021

Adiresy :
Rihana faha – 6 – Trano IFANOMEZANTSOA I – Analakely
Lot II B 18 – Tohatohabato Ranavalona I – BP.623 – 101 Antananarivo
e-mail: commfjkm@moov.mg – fjkmafifab@gmail.com
Tél. 020 22 282 37 – 020 22 220 19
Kaonty Banky BNI : « Fifandraisana FJKM » – N° 01 0258794 020 0 61
Siteweb: www.fjkm.mg – Radio manerantany: www.radio-fahazavana.org
Facebook : – Seraseram-pifandraisana FJKM

  • Onjam-peo Fahazavana manerantany
  • FjkmTv Fahazavana
    Page : FJKM Foibe – Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara

FANDAHARANA IOMBONANA

1. Fiarahabana Apostolika : Filipiana 4.23

2. Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra

Salamo 100.1-5

HIRA : 16.1, 2

 3. Sitrapon’Andriamanitra

Galatiana 5.13-16 + “Sambatra ny mahitsy lalana izay mandeha…” .

HIRA : 242.4

4. Vavaka fiaiken-keloka

HIRA : 354.4

5. Famelan-keloka

Isaia 1.18 + “Sambatra ny olona izay voavela ny helony…” .

 HIRA : 480.1 6.

 Fanekem-pinoana Apostolika : laharana faha-4

 7. Fotoana ho an’ny Fahasalamana (5mn fahasalamana)

 8. Raharaham-piangonana

# famakiana Hafatra AFiFaB FJKM

Rakitra : Hira Antoko Mpihira na Sampana Fanolorana ny rakitra : “Ry Tompon’ny harena ô”

 9. Soratra Masina

 -Fotoana ho an’ ny Ankizy sy Tanora

HIRA : 176.1, 2

Vavaka Vakiteny : Zakaria 9.9-11 Matio 21.1-10 Apokalipsy 3.7-13

HIRA : 301.4, 5 10.

TORITENY

Hira : Antoko Mpihira 11.

Vavaka fangatahana

HIRA : 338 12.

Tsodrano

Vavaka mangina

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

 Amena !

HAFATRA AVY AMIN’NY AFiFaB FJKM

Misaotra ny Tompo isika ry havana raha afaka miombom-bavaka anio alahady faha-28 Marsa 2021 mahatsiaro manokana ny Asa FIfandraisana sy FAmpahalalamBaovao (AFiFaB FJKM). Nandalo fizahan-toetra tokoa mantsy isika tamin’ny taona lasa teo iny noho ny zava-nisy teto amin’ny firenena sy manerantany ka tsy afaka nanamarika ny Alahadin’ny AFiFaB FJKM.

Isaorantsika anefa Andriamanitra fa na teo aza izany, niezaka nanohy ny asa araka ny manandrify azy sy noho ny fandaminana ary fepetra noraisina ny Sampandraharaha tsirairay ao anatiny, indrindra indrindra ny Radio Fahazavana. Ankasitrahantsika ireo mpiasa noho ny ezaka izy ireo kanefa tolorana sitraka sy fisaorana ny kristiana tsirairay, ny Fitandremana, ny Synodamparitany nanohana ny asan’ny AFIFAB tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny. Na izany tamin’ny vavaka na tamin’ny tolo-tànana na izany tamin’ny fanampiana amin’ny endrika samihafa. Tsy adino ao anatin’izany ny Sakaizan’ny Radio Fahazavana eto an-toerana sy ny Sakaizan’ ny Radio manerantany. Ankehitriny miverina amin’ny laoniny ny asa ka mbola manantena hatrany ny fanohanana avy amintsika ny eto amin’ny AFiFaB.

Azontsika vangiana sy jerena ihany koa ny Site Web FJKM www.fjkm.mg . Manentana antsika ihany koa hitsidika ny www.radio-fahazavana.org hanaraka fandaharana samihafa. Ireo no lavorary dia noho ireo mpiasa sy ny mpiara-miasa ary ny fanohanana avy amintsika ary ny fandaminana sy ny rafitra misy eto anivon’ny AFiFaB. Rafitra izay tsiahivina fa ahitana ny Komitin’ny AFiFaB sy ny mpanatanteraka miaraka amin’ ireo sampandraharaha samihafa, eto Antananarivo sy any amin’ ny faritra. Miahy ny asa ny eo anivon’ny Sekretaria Jeneralin’ny FJKM.

Ankoatry ny Radio Fahazavana izay efa mandeha tsara sy henontsika any Ambatolampy, Toamasina ary Mahajanga, sy amin’ ny Online dia niverina miseho indray izao ny Marturia Vavolombelona. Gazetintsika FJKM miseho isa-tapa-bolana, afaka mamandrika izany isika Fiangonana izay mbola tsy mandray izany ary manatona any amin’ ny AFiFaB Foibe.

Manentana antsika ihany koa hitsidika ny <www.radio-fahazavana.org> hanaraka fandaharana samihafa. Ireo no lavorary dia noho ireo mpiasa sy ny mpiara-miasa ary ny fanohanana avy amintsika ary ny fandaminana sy ny rafitra misy eto anivon’ny AFiFaB. Rafitra izay tsiahivina fa ahitana ny Komitin’ny AFiFaB sy ny mpanatanteraka miaraka amin’ ireo sampandraharaha samihafa, eto Antananarivo sy any amin’ ny faritra. Miahy ny asa ny eo anivon’ny Sekretaria Jeneralin’ny FJKM.

Entanina ary isika hanangana ny rafitra AFiFaB izay mbola tsy nanangana izany , isam-pitandremana sy isaky ny Synodamparitany misy antsika ka hanaja sy hampandroso izany. Ireo efa manana izany dia ho sarotiny amin’ny fanajana izany ambaratongan-drafitra izany eo amin’ny asa rehetra atao mba hisian’ ny filaminana sy fanehoana ny voninahitr’ Andriamanitra. Misandrahaka sy midadasika ny asa ry Havana, ka entanina isika hanohana am-bavaka hatrany sy haneho amin’ ny endrika hita maso ny fanohanana ny fampandehanana ny asa rehetra eto anivon’ ny Fifandraisana FJKM.

 “Raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra” I Korint. 14/12b

Mirary soa antsika rehetra sady manao veloma amin’ ny anaran’ I Jesoa Kristy Tompontsika.

 Ny Filohan’ny Komity AFiFaB FJKM

RAFANONERANTSOA Valisoa, Mpitandrina

Ny Tale Mpanatanteraky ny AFiFaB

RAZAFIMALALA Tantely Hariliva

FANAMPIANA & RAKITRA TAONA 2020

ANKOHONANA TSY NITONONA ANARANA      20 000  
BIRAON’NY SVM SPAA10      25 000  
FAMILLE RAZAFINDRABE EMMANUEL      50 000  
HERINIAINA Rambinintsoa      10 000  
MME OLGA      20 000  
RAJOHNSON HONORE        5 000  
RAZAFIMAHATRATRA Alphonse      25 000  
RAZANAMAHERY JOSIANE      60 000  
ROLAND PETER EYMARD    300 000  
SAMPANA DORKASY SP AA10      50 000  
TSANTAN’NY MPAMAFY    100 000  
VINANY TEMPOLY MALALA      25 000  
RAKITRA
ANTANIMARINA – SP 01      12 400  
DIDY NAZARETA – SP 05      12 000  
DIDY NAZARETA – SP 05      12 000  
AMBOASARIKELY – SP 10      51 400  
AMBOHIBAO ANTEHIROKA – SP 10      20 000   
AMBOHIJAFY FANANTENANA – SP 10      40 000  
AMBOHIJATOVO FITIAVANA – SP 10      50 000  
AMBOHIJATOVO FITIAVANA – SP 10    100 600  
ANKADINDRAVOLA – SP 10      33 000  
ANOSIPATRANA – SP 10    150 000  
AMBOHIMAMORY – SP 10    412 300  
ISOAVIMASOANDRO FIHAVAOZANA – SP 10        9 000  
ISOAVIMASOANDRO FIHAVAOZANA – SP 10    100 000  
SALEMA VAOVAO 67 HA – SP 10      50 000  
AMBOHIJANAKA FITIAVANA – SP 11      79 600  
ANKADIMBAHOAKA – SP 11      50 000  
AMBOHIMIANDRA – SP 12    106 300  
AMBOHIPENO FAMONJENA – SP 12      15 000  
AMBOHITSEHENO BETELA – SP 12      30 000  
AMPANARIVO FIVAVAHANA – SP 12      20 700  
AMPANARIVO FIVAVAHANA – SP 12        5 000  
ANKADIVAVALA FEHIZORO – SP 12        3 000  
ANONIMASINA ZIONA – SP AA12      61 100  
FIT. ANJOZORO FIVAVAHANA – SP 12      30 000  
AMPAMOA -SPAV 13        9 100  
AMPANGABE FAMONJENA – SPAIM 15      31 200  
AMBODIFAHITRA – SP 19      20 000  
ANALAMAHITSY – SP 19      20 000   
AVARATSENA TALATA VOLONONDRY – SP 19      78 100  
TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP 19    100 000  
KRISTY FANANTENANA AMBODIADABO – SP 26        5 000  
ANKOTRABO – SP 27        3 800  
ZOARA FAMONJENA ANKIRIHIRY – SP 31      50 000  
ANKAZOBE FANDRESENA – SP 35      35 000  

Ny AFIFaB/FJKM sy ireo rantsa-mangaika dia maneho fisaorana noho ny fifampitondrana am-bavaka sy fanohanana ny AFIFAB/FJKM.Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra!

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV