Alahadin’ny AFIFAB/ Hafatra

HAFATRA AVY AMIN’NY AFiFaB FJKM

Ho aminareo mandrakariva anie ny fiadanan’ny Tompo

            Misaotra ny Tompo isika  ry havana raha afaka miombom-bavaka anio Alahady faha-28 Martsa 2021 mahatsiaro manokana ny Asa FIfandraisana sy FAmpahalalam-Baovao (AFiFaB FJKM).  Nandalo fizahan-toetra tokoa mantsy isika tamin’ny taona lasa teo iny noho ny zava-nisy teto amin’ny firenena sy maneran-tany ka tsy afaka nanamarika ny Alahadin’ny AFiFaB FJKM. Isaorantsika anefa Andriamanitra fa na teo aza izany, niezaka nanohy ny asa araka ny manandrify azy sy noho ny fandaminana ary fepetra noraisina ny sampan-draharaha tsirairay ao anatiny, indrindra indrindra ny Radio Fahazavana.

            Ankasitrahantsika ireo mpiasa noho ny ezak’izy ireo kanefa tolorana sitraka sy fisaorana ny kristiana tsirairay, ny Fitandremana, ny Synodamparitany nanohana ny asan’ny AFIFAB tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny. Na izany tamin’ny vavaka na  tamin’ny tolo-tanana na izany tamin’ny fanampiana amin’ny endrika samihafa. Tsy adino ao anatin’izany ny Sakaizan’ny Radio Fahazavana eto an-toerana sy ny Sakaizan’ ny Radio Manerantany. Ankehitriny miverina amin’ny laoniny ny asa ka mbola manantena hatrany ny fanohanana avy amintsika ny eto amin’ny AFiFaB.

Azontsika vangiana sy jerena ihany koa ny site web FJKM <www.fjkm.mg>. Manentana antsika ihany koa hitsidika ny www.radiofahazavana.org hanaraka ny fandaharana samihafa. Ireo no lavorary dia noho ireo mpiasa sy ny mpiara-miasa ary ny fanohanana avy amintsika ary ny fandaminana sy ny rafitra misy eto anivon’ny AFiFaB. Rafitra izay tsiahivina fa ahitana ny komitin’ny AFiFaB sy ny mpanatanteraka miaraka amin’ireo sampandraharaha samihafa eto Antananarivo sy any amin’ny faritra . Miahy ny asa ny eo anivon’ny Sekretaria Jeneraly FJKM.

            Ankoatry ny Radio Fahazavana izay efa mandeha tsara sy henontsika any Ambatolampy, Toamasina ary Mahajanga, sy amin’ ny Online dia niverina miseho indray izao ny Marturia Vavolombelona. Gazetintsika FJKM miseho isa-tapa-bolana, afaka mamandrika izany isika Fiangonana izay mbola tsy mandray izany ary manatona any amin’ ny AFiFaB Foibe.

Entanina ary isika hanangana ny rafitra AFiFaB izay mbola tsy nanangana izany , isam-pitandremana sy isaky ny Synodamparitany misy antsika ka hanaja sy hampandroso izany. Ireo efa manana izany dia  ho sarotiny amin’ny fanajana izany ambaratongan-drafitra  izany eo amin’ny asa rehetra atao mba hisian’ ny filaminana sy fanehoana ny voninahitr’ Andriamanitra. Misandrahaka sy midadasika ny asa ry Havana, ka entanina isika hanohana am-bavaka hatrany sy haneho amin’ ny endrika hita maso ny fanohanana ny fampandehanana ny asa rehetra eto anivon’ ny Fifandraisana FJKM.

            “Raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra” I Korint. 14/12b

Mirary soa antsika rehetra sady manao veloma amin’ ny anaran’ i Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny Filohan’ny Komity AFiFaB FJKM                   Ny Tale Mpanatanteraky ny AFiFaB

RAFANONERANTSOA Valisoa , Mpitandrina      RAZAFIMALALA Tantely Hariliva

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV