Perikopa 28/02/21

Mampiorina ny mino ny Tenin’Andriamanitra

Tamin’ny Alahady fahatelo teo no niditra tao anatin’ny vanim-potoan’ny Fiangonana ampiasana ny loko volomparasy dia ny Karemy isika. Raha ny Fotodalanan’ny FJKM no iaingana amoahana ny hevitra fototra tokony havoitra dia ireto: Fahatsiarovana ny vesatry ny fahotana sy fiombonana amin’ny fijalian’i Jesoa Kristy Tompo ary fampisehoana ny maha Mpanjaka Azy. Koa azo atao tsara ny hampisongadina izany, indrindra raha maneho izany ny perikopa, na azo asisika eny amin’ny fampiharana ireo foto-kevitra voizin’ny vanim-potoan’ny Karemy ireo. Ankoatr’izany, natao ho fotoana fandinihan-tena ihany koa ny karemy.

Koa indro atolotra eto ny tari-dalan’ny Perikopa amin’ny Alahady Farany amin’ity volana Febroary ity.

  • 2 Tantara 12, 1- 8: Mizara roa, amin’ny ankapobeny ny bokin’ny Tantara faharoa. Ny Toko voalohany ka hatramin’ny toko fahasivy no mirakitra ny tantaran’i Solomona, mpanjakan’ny Israely, fa manomboka eo amin’ny toko fahafolo kosa no iraiketana ny tantaran’ireo Mpanjakan’ny Joda nifandimby. Rehoboama no nanjaka rehefa maty i Solomona Mpanjaka. Saingy nivaky roa ny fanjakany noho ny saina nomen’ireo zatovolahy namany azy mba hampitombo ny fampahoriana ny vahoakan’ny Israely. Ny Fanjakan’i Benjamina sy Joda sisa no nanjakany. Eto amin’ity perikopa ity no isehoan’ny maha-zava-dehibe ny fifandraisan’ny Mpitondra sy ny Mpanompon’Andriamanitra (Mpaminany). Mitera-doza ho an’ny mpitondra sy ny vahoakany ny fialana amin’Andriamanitra (and. 1- 4). Eo no miditra an-tsehatra ny Mpanompon’Andriamanitra mampita ny hafatry ny Tompo Andriamanitra mba hampiverin-dalana ny Mpitondra mpihodina mba hahatsapan’izy ireo fa mahasoa azy sy ny vahoaka ny fiverenana amin’Andriamanitra (And. 5- 8).

  • Jaona 8, 25- 30: Iray amin’izay isehoan’i Jesoa amin’ny maha Andriamanitra Azy ny fanambaran-tenany. Andriamanitra ihany mantsy no mpanambara ny tenany amin’ny olona. Eto i Jesoa no manambara heo: “Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao”. Io fomban’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy io dia niteraka fanoheran’ny olona Azy. Amafisin’i Jesoa ny maha Andriamanitra Azy arak’ireto fanehoany ireto. Ny fanandratana ny Zanak’olona ( enti-milaza ny ho fanomboana Azy eo amin’ny hazo fijaliana) no hisehoan’ny Maha Andriamanitra Azy. Io fisandratana io dia tsy ho fisehoam-boninahitra ho Azy (satria olona voaheloka no homboina amin’ny hazo fijaliana), fa mba ho fanavotana sy ho famonjena ny olombelona rehetra. Koa izany fisehoana ho Andriamanitra izany dia iombonany tanteraka amin’Andriamanitra Ray.

  • Hebreo 13, 7- 16: Eto no mifarana ny Epistily ho an’ny Hebreo. Koa amin’ny maha famaranana hafatra dia azo heverina ho marina fa eto no amintinan’ny Mpanoratra ny hafatra rehetra izay novelarina teo amin’ny toko teo aloha. Izao izany hafatra izany: Eo anoloan’ny fanenjehana mahazo ny Fiangonana dia: Aza miova amin’izay efa ninoana (and. 7- 9) toy ny tsy fiovan’ny finoan’ireo mpitondra, sy ny tsy fiovan’i Jesoa Kristy. Eny, na dia tsy hitsahatra aza ny fampianaran-diso ataon’ny fahavalon’ny Fiangonana. Ny hafatra faharoa dia ny fitaomana hoe: Aza matahotra ny ho ailiky ny hafa. Tsy zava-baovao izany fa efa niaretan’i Jesoa Kristy ihany koa. Ary farany, mijoroa ho mpanompo mahatoky amin’ny teny sy ny atao (vavaka, asa soa, asa fiantrana).

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra

Foibe JKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV