Ny Sampana FJKM.

“Ny Zava-kendren’ny Sampana”

            Ny Synoda Lehibe faha XVIII, izay natao tany Antsirabe, farany teo dia nanapaka fa ny FJKM dia handrafitra ny teti-bolany araka ny tetik’asany ka hialana ny teti-bola niainga tamin’ny vola miditra. Izany fanapahan-kevitra izany dia mitaky amin’ny ambaratongan-drafitra rehetra mba hanana ny tetik’asany. Na izany aza, tsy izay asa azo atao dia tanterahina fa tokony ho tetikasa manatratra tanjona no arafitra. Noho izany, tsy hisy tanjona azo ajoro ka tsy miainga amin’ny Zava-kendrena.

Koa ny zava-kendrena no handrafetana ny tanjona amin’ny asa iray hotanterahina ka aorian’ilay asa natao dia hisy fiantraikany eo amin’ny olona ao anatin’ny sampana izany.

Noho izany, zava-dehibe ho an’ny Sampana ny mahafantatra ny zava-kendreny avy. Ny Fitsipika anatin’ny Sampana tsirairay no mamaritra izany arak’izao:

  • Sampana Dorkasy: Fitsipika Fototra, And. 5: “Ny zava-kendren’ny Sampana Dorkasy FJKM dia ny: Mitory sy manambara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manolokolo sy mitaiza ny tanora sy ny ankizy ary ny olon-dehibe amin’ny alalan’ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny lafiny rehetra, saina, vatana, fanahy.”
  • Sampana Lehilahy Kristiana: Fitsipika Fototra, And.5: “HITORY NY FILAZANTSARA amin’ny lehilahy rehetra mba hahatonga azy ho LEHILAHY KRISTIANA mpitarika mahomby, handray andraikitra eo amin’ny fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo, ka mba ho « LEHILAHY LEHIBE MAHATRATRA NY OHATRY NY HALEHIBEN’NY FAHAFENOAN’I KRISTY » (Sal. 22 : 22 ; Efes. 13:4).”
  • Sampana Sekoly Alahady: Fitsipika Fototra, And. 3: “Ny Sekoly Alahady FJKM dia mampianatra ny Tenin’Andriamanitra, na ao anatin’ny Fiangonana izany, na any ivelany, mba hahatonga ny olona rehetra handray ny Teny Soa Mahafaly ho fiainany, ka hivelarany amin’ny maha-zanak’Andriamanitra azy tokoa.”
  • Sampana Tanora Kristiana: Fitsipika Fototra, And. 7: “Ny zava-kendren’ny STK FJKM dia mandray ho adidy ny mitory ny Filazantsara amin’ny Olombelona rehetra (Mar.16/15), mba hahatonga ny Tanora hahery sy hitoetra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sady efa naharesy ilay ratsy (I Jao.2/4-14b), manabe sy mikolokolo ny Tanora amin’ny lafim-piainany rehetra, mba hahatonga azy ho vavolombelon’i Kristy (I Tim.4/12).”
  • Sampana Vokovoko Manga: Fitsipika Fototra, And.2: “Ny SVM FJKM dia miady amin’ny zava-mahadomelina rehetra ao anatiny sy ivelan’ny Fiangonana. Raisin’ny SVM FJKM ho baikon’ny Tompo asainy tanterahan’ny Fiangonany ny ady amin’ny fanapariahana sy ny fanjifana izany zava-mahadomelina izany ka manaiky izy ho Sampana mpitarika sy mpanentana ny Kristiana tsirairay sy ny Fiangonana manontolo hirotsaka amin’izany ady izany.”
  • Sampana Fivondronana Laika: Fitsipika Fototra, And.3: “Ny zava-kendren’ny Sampana Fivondronana Laika FJKM dia ny hampivondrona sy hampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra mba hampitoetra amin’ny toerana rehetra, indrindra eto Madagasikara ny tena fiaraha-monin’ny ankohonan’Andriamanitra manomboka amin’ny FJKM:

3.1 Hifampitaiza, hifanabe, hifampahery amin’ny finoana sy hiandraikitra fanabeazana eo amin’ny fiaraha- monina, mahasahana ny olona manontolo sy ny olona rehetra: vatana saina ary Fanahy.

3.2 Hiara-miasa hanitatra sy hampandroso ny asan’ny Fiangonana amin’ny fanomezam-pahasoavana samihafa:          
a) Hikaroka loharanom-bola maharitra ho an’ ny asan’ny Fiangonana

b) Hikaroka lalan-kevitra sy hanatanteraka izany  mba hampivoatra ny fiainan’ny mponina eto Madagasikara.

3.3 Hitandro sy hiaro ny fijoroan’ny FJKM eo anivon’ny firenena sy ny fiaraha-monina mba hahafahan’ny rehetra mandre ny Filazantsara sy mandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy.

3.4 Hitandro sy hiaro ny fijoroan’ny FJKM eo anivon’ny firenena sy ny fiaraha-monina

a) Handinika sy hanolotra amin’ny Foibe FJKM ny hevitra rehetra hampandrosoana ny asan’ny Fiangonana, ka handray anjara araka izay azony atao amin’ny fomba  enti-manatanteraka ireny tolo-kevitra ireny.    b)Handroso mandrakariva eo amin’ny Ekiomenisma eo ambany fitarihan’ny Foibe FJKM.”

  • Sampana Mpanazava sy Tily: Fitsipika Fototra, And. 5: “Ny zava-kendren’ny SAMPATI  FJKM dia ny hahatonga ny ankizy sy ny tanora beazina ao aminy ho tia an’Andriamanitra sy hahalala Azy ao amin’i Jesoa Kristy, ka ho vonona hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny mpiara-belona aminy ao anatin’ny fifehezan-tena sy fanarahana ireo fitsipika mifehy ny fikambanana voalaza ao amin’ny (and 03) ka ireto ny asa fototra tanterahany : Fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Skotisma, mba hanompo an’Andriamanitra sy hiasa ho an’ny tanindrazana sy ny namana ary hanana fifehezan-tena ho vonona amin’ny asa tsara rehetra.”
  • Sampana Fifohazana: Fitsipika Fototra, And. 7: “Ny Sampana Fifohazana FJKM dia Mitory ny Filazantsara , mamoaka demonia , mametra-tanana , manasitrana marary ( Mar.16,15-20 ), Mampandroso ny Fiangonana ( I Kor.14,12 ), Mitady ny fampiraisana ( Jao.17,21 ), Miaina ny fifankatiavana ( Jao.13,34-35 )”

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Rasorapiangonana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV