Hetsika « vontom-pitia »

Mampianatra ny fiverenana amin’ny Sitrapon’Andriamanitra

Notanterahina tetsy amin’ny FJKM Katedraly Analakely sy teny FJKM Ambatonakanga ny 8 hatramin’ny 13 Febroary 2021 ny “Vontom-pitia” andiany faharoa.

Hetsika izay nokarakarain’ny FJKM ARM, KPMS, Vaomieran’ ny fiainam-pianakaviana FJKM, Fikambanana tokantrano vavolombelona,  SETELA,  Fikambanan’ny renin-jaza kristiana ho fanorenana sy fanavaozam-pitiavana.

Tanora sy mpivady maro no tonga isan’andro niara-niombona, nandray  fampianarana, nilalao,…

Lohahevitra maro no nitondran’ireo Mpitandrina avy eto amin’ny FJKM fampianarana.  Azo fintinina amin’ny hoe raha te hanana fitiavana madio, marina, salama, raha te hahita izay vady sahaza, raha te hanana fiainan-tokantrano sambatra,  dia ivereno ny sitrapon’Andriamanitra izay voasoratra ao anatin’ny Baiboly.

Isan’ny mampiavaka ity hetsika ity ny fisian’ny fotoana fihainoana sy famahana olana izay nahasarika olona maro tokoa.

Andiany roa izay no vita, antenaina fa hihena ny tokantrano rava, ny tanora diso safidy, ny tahan’ny famonon-tena noho ny olana ara-pitiavana noho ny fampiharana izay rehetra azo.

Fy

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV