Arivonimamo/Oniversity R
Nitsidika tetikasa mifandraika amin’ny fianarana ny mpianatra
Ny zoma 12 Febroary 2021 lasa teo dia niara-nijery ny tetikasa « Café d’Imamo » ny mpampianatra sy ny mpianatra ao amin’ny Oniversity FJKM Ravelojaona Arivonimamo. Tamin’io fotoana io no nanararaotana nanomezana toro-marika ny mpianatra rehetra hahay hanararaotra ny fotoana rehetra, handrantoana fahalalana, na dia any amin’ny fotoanan’ny fitsangatsanganana aza.
Afa-po avokoa ny rehetra taorian’ny fanontaniana maro izay nanomezan’ny Tompon’andraikitra ny valiny.
Marihina, fa hanaovan’ny mpianatra ny « rapport de visite » ny fitsidihana tany. Amin’ny Zoma 05 Martsa 2021 no fanompoam-pivavahana fitondrana am-bavaka ny taom-pianarana 2021.
P.S IVAMA Moryl, Mpitandrina