Alahady 21 Febroary 2021

1 TESALONIANA 2.13-16

Ny Filazantsara

1-Raisina amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra azy

« …tsy noraisinareo ho tenin’olona fa araka izay marina dia ny Tenin’Andriamanitra  » (and13) .

Raha nitoriteny tany Tesalonika i Paoly dia nisy olona sasany nanaraby sy nilaza mihitsy fa « lehilahy namadika izao tontolo izao » i Paoly Apostoly (Asa 17.6) . Na dia teo aza izany fanamavoana an’i Paoly sy ny Filazantsara izany dia noraisin’ny olona araka izay marina » ny Tenin’ Andriamanitra . Raha tonga eo aminao koa ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy dia raiso araka ny fahamarinan’i Jesoa Kristy izany fa aza mihevitra izany ho toy ny tenin’olona. Raiso amin’ny maha-Tenin’Andriamanitra azy izany fa aza mijery ny olombelona mpitoriteny .

2-Misy fanenjehana sy sakantsakana

« …ny nanjo anareo noho ny nataon’ny iray firenena aminareo …ary nandroaka anay » (and 14.15)

Hatramin’ny voalohany dia efa niatrika fanenjehana sahady ireto kristiana tany Tesalonika ireto , indrindra fa i Paoly Apostoly izay nitory ny Filazantsara . Na dia teo aza anefa izany fanenjehana sy sakantsakana izany , dia tsy nampihemotra ireo amin’ny finoana fa i Jesoa no Kristy izany. Ho anao ihany koa , ho tojo fanenjehana sy sakantsakana ianao eo am-panaovana ny asan’Andriamanitra sy fiainana ny finoana , kanefa aza kivy na mihemotra amin’izany fa tohizo hatrany ny fanompoanao ary miorena amin’ny finoana , mba handraisan’ny Jentilisa famonjena.

Fanontaniana:

Ahoana no fiatrehanao fanenjehana amin’ny asan’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV