Alakamisy 18 Febroary 2021
HEBREO 6.13-20
Ny teny fanomezan-toky avy amin’ny Tompo
1- Andrasana amin’ny faharetana
» Ary araka izany , rehefa naharitra tsara Abrahama , dia nahazo ny teny fikasana » (Hebreo 6.15)
Abrahama niandry araka ny teny fampanantenana nomen’Andriamanitra azy izay miorina amin’ny fitantanan’Andriamanitra amin’ny tenany , nandritry ny androm-piainany rehetra , satria tsy avy ety an-tany no niandrasana ny fahatanterahan’ny teny fampanantenana fa avy any an-danitra , na dia avy amin’ny taranany aza no ipoiran’ny Mpamonjy izao tontolo izao , dia i Jesoa Kristy . Noho izany , ny fiandrasana ny teny fanomezan-toky avy amin’Andriamanitra any ambony momba an’i Jesoa Kristy dia mitaky faharetana amintsika , iainana eo amin’ny fiainana andavanandro mandritry ny androm-pahavelomana rehetra .
2-Andrasana amin’ny fanantenana
« …dia isika izay nandositra hihazona ny fanantenana napetraka eo anoloantsika » (and18)
Andriamanitra mitana ny teny fampanantenana nataony fa tsy mba mandainga ny Andriamanitra manome toky sy mianiana amin’ny tenany . Andriamanitra nianiana tamin’i Abrahama dia mariky ny fanehoana ny fahalehibiazany sy ny heriny ary fahamasinany , izay iorenan’ny finoan’i Abrahama . Tsy tanteraka anefa izany raha tsy arahin’ny finoan’i Abrahama . Ny olona mitana ny teny fanomezan-toky nataon’Andriamanitra taminy amin’ny finoana no manana fanantenana . Aoreno eo am-pelatanan’Andriamanitra tsy mamitaka amin’ny fikasany sy ny fanomezan-toky nataony , ny famonjena anao amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izay efa nomeny ho Mpamonjy antsika .
Fanontaniana :
Inona avy koa ireo toetra tokony hananana eo am-piandrasana ny fahatanterahan’ny Tenin’ny Tompo ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM