Hafatry ny Filoha/ Feb 21

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Ka hanatrarana an’izany

Dia avelao hahazo laka

Samy hivelatra avokoa

Ny talenta rehetrarehetra,

ny fanomezam-pahasoavana

izay natolotry ny Tompo

hampandroso ny Fiangonany

ary tena hahafahany

manitatra isan’andro vaky

ny ambaindain’ny finoana

Fa izay talentanao,

tsy anao akory, raha ny marina,

fa ampindramina aminao,

tsy sanatria hoentinao

mieboebo, hisehoseho,

fa hoentinao hanompo

sady hanasoa ny hafa

Ary isika rehetra izao

Samy nizaran’ny Tompo

Ka samy manana talenta

Dia izany no ampiasao,

F’aza alevina, tandremo!

Fa rah’i Madagasikara

No irintsika hofenoina

Amin’ny tena fahalalana

Sy finoana an’i JESOA

Dia tsy misy tsy ilaina

Isika rehetrarehetra izao,

Ka andao re hifameno:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV