Sabotsy 23 Janoary 2021

JEREMIA 18.5-11

Moa tsy mahazo manao aminareo izay toy ny ataon’io mpanefy tanimanga io va Aho ry taranak’Israely ? hoy i Jehovah manontany an’i Jeremia rehefa naniraka azy ho ao amin’ny tranon’ny mpanefy . Azontsika takarina amin’izany ary fa:

Masi-mandidy amin’ny olony Andriamanitra ka :

1-Manasoa izay manaiky fefena (and 9)

Hoy i Jehovah eto « vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy amboleko ». Izany hoe : tahaka ny mpanefy Izy , ka rehefa mahafa-po izay amboariny dia manohy mikarakara azy ho tonga vazy tsara tarehy . Fa ao ambadik’izany koa dia hoe: izay mandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra no valiany soa ary hampitomboiny ho amin’ny fahasoavana hatrany . Izany foto-kevitra izany dia iombonan’i Jeremia amin’ny Deoteronomia . I Jesoa koa dia hamaly izay manao ny sitrapony hoe : « Midira amin’ny fifalian’ny Tomponao  » (Mat 25.23) . Ataovy ary ny sitrapon’ Andriamanitra fa izany ihany no andrasany aminao , hamaliany soa anao.

2-Mandrodana izay mikiribiby amin’ny ratsy (and7)

Fa hoy koa i Jehovah : « vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako« . Izany hoe : izay tsy mahafa-po ny mpanefy dia horavany indray ka mamerina hatramin’ny voalohany izy manefy zavatra vaovao araka ny ilàny azy , mifanaraka amin’izay tiany . Mifono ao anatin’izany fa rehefa miziriziry handeha amin’ny làlany ratsy ihany ny olona dia harodan’i Jehovah , ongotany ary hazerany , kanefa raha mahatsiaro tena fa diso ka miverin-dàlana dia vonona hikarakara azy indray Andriamanitra , ary tefeny ho vaovao mba hanjary olom-baovao . Ianao koa, ialao ny ratsy ary ataovy tsara ny làlanao , fa hoy indrindra i Jesoa hoe: « Mibebaha ianareo » (Mat 3.2)

Fanontaniana :

Inona no hanjo ny olona mahalala ny sitrapon’Andriamanitra nefa minia milona amin’ny fahotana ihany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV