Alatsinainy 18 Janoary 2021

1 JAONA 1.5-10

Andriamanitra dia mazava

Inona moa no hevitry ny hoe : »mazava »? (and 7)

Raha milaza ny Apostoly Jaona eto hoe : Andriamanitra dia mazava, maneho ny maha-Izy Azy an’Andriamanitra izy, avoitrany ao anatin’izany sary an’ohatra ilazana ny toetr’ Andriamanitra, ny fahamasinany, ny fahatanterahany, ny fahendreny ary ny hery sy ny famirapiratan’ny voninahiny, izany hoe : faratampon’ny fahatanterahana Izy. Tsy misy azo kianina amin’Andriamanitra, na dia kely monja aza, izany no ilazana hoe : « tsy misy maizina akory ao Aminy« . Jesoa rahateo dia efa nilaza hoe : « Izaho no fahazavan’izao tontolo izao  » (Jao 8.12). Maneho amintsika izany fa tsy misy azo ampitahaina amin’ Andriamanitra, ary mitaona antsika koa hatoky azy tanteraka amin’ny fitondrana ny fiainantsika, satria Andriamanitra tanteraka Izy ka tsy manao fahadisoana na dia misy tsy takatsika aza matetika ny fitondrany antsika.

Inona kosa ary no andrasana eo anoloan’izany?

Hoy ny filazan’ny Apostoly Jaona Azy « Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava dia manana firaisana isika, ary ny Ran’i Jesoa zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra« . Ny hananantsika firaisana Aminy no andrasana amintsika, izany hoe : ny hiombom-piainana Aminy, ny hanana fifamatoram-piainana Aminy tanteraka, ary io fiombonana io no manosika antsika hanahaka an’Andriamanitra, handeha amin’ny mazava ka sady tsy manamarin-tena ho tsy manana ota no mahay miaiky ny fahotantsika mba hahazoantsika famelan-keloka ka hiainantsika mifanaraka amin’ ny sitrapony sady mitahiry ny Teniny ato anatintsika, ka manaraka an’i Jesoa, fa » izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina fa hanana ny fahazavana aina », hoy izy.

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fifamatoram-piainanao amin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV