Alahady 17 Janoary 2021
JAONA 5.30-38
Fanambarana telo sosona ny maha-Mesia an’i Jesoa no avoitran’ny perikopantsika anio . Ireto avy izany :
Ny fanambaran’i Jaona (and 32,33)
Hoy i Jesoa mamaly ny Jiosy hoe : « Misy anankiray manambara ny marina izy » . Tian’i Jesoa hasongadina amin’izany hasongadina amin’izany fa tsy mandehandeha ho azy akory ny filazany ny tenany hoe : zanak’ Andriamanitra Izy , fa misy olombelona efa nasaina hanambara Azy mialoha , nanomana ny lalany mialoha koa aza , dia i Jaona izay efa nilaza an’i Jesoa hoe : « Ilay avy aoriako » (Jao 1.27,30) . I Jaona izay fantatr’ireo Jiosy ireo tsara fa niara-belona taminy rahateo .
Ny asa ataon’i Jesoa (and 36)
« Fa ny asa nomen’ ny Ray Ahy hovitaiko dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy » , hoy ihany i Jesoa manohy ny teniny . Ny asa vao hitan’ireto Jiosy ireto dia ny nanasitranan’i Jesoa ilay lehilahy efa narary valo ambin’ny telopolo taona teo amin’ny farihin’i Betesda. Anankiray amin’ny fahagagana maneho ny maha-Mesia an’i Jesoa io , ary ao amin’i Jaona dia famantarana no iantsoany ireny fahagagana nataon’i Jesoa ireny , fa tsy misy mahay manasitrana na mamelona aina na manangana ny maty raha tsy Andriamanitra irery ihany . Mino an’i Jesoa Mesia ianao , ary aza misalasala mangataka fa ny zavatra rehetra hainy atao , kanefa amin’ny fotoany sy ny sitrapony ihany fa tsy azontsika terena Izy .
Ny fanambaran’Andriamanitra Ray (and 37,38)
« Ary ny Ray izay naniraka Ahy , Izy no manambara Ahy , tsy mba renareo ny feony… » . Avoitran’i Jesoa kosa eto fa ny fanambaran’ Andriamanitra Ray momba Azy dia ao amin’ny Soratra Masina , ary efa hatrany amin’ny Testamenta Taloha izany ka ao amin’i Jesoa no fahatanterahany . Tianao ve ny hahalala an’i Jesoa ? Vakio àry ny Soratra Masina fa ireny no manambara Azy ary sahia manatona Azy mba hanananao fiainana .
Fanontaniana :
Inona àry izany no tokony atao raha te- hanana fiainana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM