Sabotsy 16 Janoary 2021
SALAMO 9.1-10
Eo am-piatrehana ady sarotra sy fahavalo matanjaka ny mpanao salamo eto , kanefa asehony koa fa azony antoka ny famonjen’Andriamanitra ka tsy manan-tahotra izy . Hita eto ary fa :
Mpitsara marina Andriamanitra ka :
1-Mendrika hoderaina (and-4)
Araka ny efa voambara teo dia tena mbola ao anatin’ny ady sarotra ny mpanao salamo eto , kanefa efa manandratra fiderana an’ Andriamanitra sahady izy . Ny antony dia satria fantany tamin’ny traikefany niaraka tamin’ Andriamanitra fa miandany amin’ny olony Andriamanitra . Izany fahazoana antoka ny fidiran’ Andriamanitra an-tsehatra . Izany no mahatonga ny finoany hiorina tsara , toy ny hoe : efa azony sahady ny fandresena . Ianao koa , aza variana mitanondrika eo anoloan’ny adinao fa asandrato ny fiderana .
2-Manafay ny ratsy fanahy (and 5,6)
Mihasinkasina eto koa fa tsy avelan’Andriamanitra hiala maina ny ratsy fanahy . « Efa nanarinao mafy ny Jentilisa , efa naringanao ny ratsy fanahy , ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria« , hoy ny mpanao salamo . Saro-piaro amin’ny olony Andriamanitra ka tsy mamela azy ho viravirain’ny fahavalony , fa miasa Izy ( matoanteny maneho hetsika , ary Andriamanitra no mpanao) hanome rariny ny olony . Mampahatsiaro ny tantaran’i Mordekay sy Hamana izany (Est 6.13) . Fa hoy koa i Jesoa hoe :
3-Fiarovana azo antoka Izy (and7-10)
Ambara mazava eto hoe : « Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ny mahantra , ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana Izy » . Ny dikan’ny hoe : fiarovana avo dia hoe : toerana azo ialokalofana , ary tsy tratran’ny fahavalo , izany hoe: toerana ahitana fitsaharana na dia ao anaty ady tanteraka aza , mandry fahalemana izay eo aminy . Moa ve tsy izany no antso nataon’i Jesoa ho an’ izay miasa fatratra ka hilazany ny fahavononany hanome fitsaharana (Mat 11.28).
Fanontaniana :
Mitondra inona ho anao ny fahalalana ny maha- mpitsara marina an’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM