Alakamisy 14 Janoary 2021
JOBA 42.1-6
Ny olona mahatsapa ny fahalehibiazan’Andriamanitra
Ny zavatra rehetra niseho teo amin’ny fiainan’i Joba no nahatsapany ny fahalehibiazan’ny Tompo ka nahaizany
1-Manetry tena
Niaina tamin’ny fahoriana sy ny fizahan-toetra mahamay i Joba .Tamin’izany rehetra izany anefa dia tsy nanota na nivadika tamin’ Andriamanitra izy , Ilay mahefa ny zavatra rehetra . « Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra ,ary tsy azo ferana ny fisainanao » (and2). Ny hany nataony dia ny nanetry tena sy niaiky teo anatrehany fa tsinontsinona sy ambany izy , fohy ny fisainany .Toy izany no fomba nanehoan’ Andriamanitra ny maha-izy Azy taminy . Ny tantaram-piainantsika olombelona tamin’ny lasa dia tokony hahatakarantsika ny fisian’ Andriamanitra mitantana izao rehetra izao sady miantoka ny fahavelomantsika .
2-Mibebaka
« Koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho » (and6). Tsara homarihana fa tsy noho ireo fiampangana nataon’ny namany azy akory no nampibebaka an’i Joba teo anatrehan’Andriamanitra , fa ny fahatsiarovany ny teny tsy voahevitra sy tsy voalanjalanja nataony tamin’ Andriamanitra . Ny « vovoka » sy « lavenona » voalaza eto dia mifandray amin’ny fisaonana sy ny fanetren-tena izay fahita matetika ao amin’ny Testamenta Taloha. Raha teo anatrehan’ireo namany sy ny vadiny dia tsy nanan-keloka izy , ary tsy mitombina avokoa ireo fiampangana momba azy .Tsy nanamarin-tena tamin’izany izy . Ny olo-marina dia tsy maintsy mihevitra mandrakariva ,sao sanatria ka nisy teny na fihetsika tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ary mibebaka isanandro .
Fanontaniana :
Inona no lesona azonao azonao ampiharina amin’ny tantaran’i Joba ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM