Talata 12 Janoary 2021

2 PETERA 1.1-11

Ireo toe-panahy tokony hasehon’ny kristiana

  1. Fahatsaram-panahy :
    Hatsaram-panahy no ambara amin’ny hoe : fahatanjahan-tsaina . Ilaina ny herimpo ho enti-manao sy mandavorary izay rehetra atao . Ny olona toy izany dia ho azon’ny firenena hianteherana .
  2. Fahalalana
    Ny olona manana fahalalana araka an’ Andriamanitra dia izay olona matotra amin’ny fandraisana fanapahankevitra . Mahalala ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao amin’ny asa iandraiketany.
  3. Fifehezan-tena
    Izany no ambaran’ny teny hoe : « fahononam-po » . Ny olona mahafehy tena dia izay olona itoeran’ny Fanahy Masina ka mankato an’i Kristy amin’izay rehetra ataony sy alehany .
  4. Faharetana
    Ny olona manana faharetana dia izay mahabanjina ny fiainana mandrakizay ka mahafikitra amin’i Kristy manoloana ny zava-tsarotra lalovana . Ny herimpo sy ny fanantenana no manosika azy .
  5. Fitiavam-bavaka
    Entina ilazana olona tia mifandray amin’Andriamanitra sady manam-pitiavana olona .
  6. Fitiavana ny rahalahy
    Ny fifankatiavan’ny mpirahalahy no tiana ambara eto , dia ilay fifanohanana sy fifanampiana eo amin’ny ankohonana. Tokony ho hita miavaka ao amin’ny samy kristiana izany toetra izany.
  7. Fitiavana ny olona rehetra
    Ity kosa dia manambara ilay fitiavan’Andriamanitra tsy misy fepetra . Ny zava-dehibe amin’izany dia ny fikatsahana izay tsara indrindra ho an’izay tiavina ka tonga hatramin’ny fahafoizan-tena tahaka izay nasehon’ Andriamanitra hananantsika fiainana.

Fanontaniana :

Iza amin’ireo toetra ireo no tsy mbola anananao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV