Alahady 10 Janoary 2021
1 SAMOELA 1.1-13
Mahaiza mandamina ny fiainan-tokantrano
Lesona roa no hotsoahina avy amin’ity tantara ity :
1-Fadio ny mampirafy
Nanana vady roa i Elkana , dia i Hana sy i Penina . Tsy mba nanan-janaka tahaka an’i Penina i Hana . Na dia teo aza ny fitiavan’i Elkana an’i Hana dia mbola nalahelo sy nitomany hatrany izy , sady tsy nety nihinan-kanina ; nanao izay hahasorena azy sy nandrabiraby azy hatrany mantsy ny rafivaviny . Efa nahita olana tahaka izao i Abrahama raha nanambady an’i Saray sy Hagara . Rehefa tsy manaraka ny lamina napetrak’Andriamanitra tany amboalohany momba ny fanambadiana ny olona , ka manambady maro , dia tsy maintsy hisy ny fifandrafiana, na mivantana izany na ankolaka . Fadio fa ratsy ny fampirafesana . Efa andron’ny mazava izao .
2-Ento eo anatrehan’ny Tompo ny olana
Sahirana ny sasany , vaky ny lohany . Izany no matetika mahazo ny olona mampirafy. Tsy amin’ny fampirafesana ihany , fa mety hisy toe-javatra manahirana eo amin’ny fiainantsika , ka mila hahakivy sy hiheverana fa toa tsy misy dikany intsony ny fiainana . Mety ho azon-dehilahy natao ihany ny nibedy an’i Penina isaky ny manao teny mampalahelo an’i Hana , na koa nanatona mpimasy sy mpisikidy toy ny fanaon’ny Jentilisa . Tsy izany anefa no nataony , fa nivavaka mafy tamin’ny Tompo izy sady nitomany , ary koa nanao voady teo anatrehany . Na dia tsy niloa-bava aza izy fa niteny am-po dia azony antoka fa manatrika azy ny Tompo ka mihaino ny vavaka ataony . Tanteraka taminy ny tenin’i Jesoa hoe : » Fa ianao kosa raha mivavaka dia midira ao amin’ny efitranonao , ka rehefa voarindrinao ny varavaranao dia mivavaha amin’ny Rainao . Izay ao amin’ny mangingina ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao «
Fanontaniana :
Inona no lazain’i Jesoa momba ny ampirafesana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM