Alakamisy 07 Janoary 2021

MARKA 1.40-45

Maneho ny maha- Andriamanitra Azy ny Tompo

1-Mahadio ny olona izy

Lehilahy iray marary hoditra no nanehoan’i Jesoa ny maha-Andriamanitra Azy . Ny olona tratran’ny habokana sy ny areti-koditra samihafa dia noheverina fa maloto ka nahiliky ny fiaraha-monina . Fahavoazana roa sosona no mahazo ity lehilahy ity , fa ankoatry ny habokana manenika ny tenany dia nanampy trotraka ny fanilikilihana . Tamin’izany fotoana izany mantsy dia noheverina ho vokatry ny fahotana ny karazana aretina toy izao . Nino kosa anefa izy fa raha sitrak’i Jesoa ny hanadio azy dia hainy izany . Nambarany teo anatrehan’i Jesoa izany finoany izany ka hoy izy : « Raha mety ianao dia mahay manadio ahy » (and40b) . Mariho fa tsy nangataka mivantana tamin’i Jesoa ny hahadio azy izy akory fa nanambara kosa ny finoany sy ny fatokiany fa manana fahefana hahasitrana azy i Jesoa . Sitraky ny Tompo ny hanadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra , ka izany no nanekeny an-tsitrapo ho faty teo amin’ny hazo fijaliana . Sitraky ny Tompo ny handovantsika ny fiainana mandrakizay .

2-Mahasitrana Izy

« Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokany... » (and 42) . Tsy niandry fotoana ela akory , hoy ny mpitantara dia niala taminy ny habokana . Fahagagana lahy izany ! Ary izany no anisan’ny nahafaly an’ilay lehilahy . Afaka izy tamin’ny aretina izay nahazo azy . Iza tokoa moa no tsy ho faly raha nositranina amin’ny aretina izay efa nahavery hevitra nandritra ny fotoana maro, aretina izay efa nampamoy fo fa nanarian’ny olona rehetra sy ny havan-tiana ny tena ? Jesoa irery no tsy nanilika sady nahasitrana azy . Tsy tana ralehilahy fa nampiely ny vaovao mahafaly izay hitany sy tsapany teo amin’ny fiainany . Mahasitrana ny aretina rehetra Izy .

Fanontaniana :

Nahoana no namepetra azy mafy Jesoa ? (and43)

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV