Talata 05 Janoary 2021

APOKALYPSY 19.1-4

Miderà an’Andriamanitra

Ny teny hoe: « Haleloia » dia midika hoe :  » Miderà an’Andriamanitra« . Nahoana isika no asaina hidera Azy ?

1-Azy ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery

Aseho an’i Jaona Apostoly ireo mpihiran’ny lanitra sy ny feony manakoako , mitaona ny olona hidera an’Andriamanitra . Midera an’ Andriamanitra izy ireo satria nomelohina ilay vehivavy janga , antsoina hoe: Babylona , tanàna mamirapiratra , miroborobo teo amin’ny lafiny ara-toe-karena sy nanana ny tanjaka rehetra nahafahana nifehy izao tontolo izao , nanan-karena tamin’ny fahavoazan’ny hafa (Apo 18.5-6,13) , saingy mpiavonavona sy manao an’ Andriamanitra ho tsy misy . Azo lazaina ho endrik’io Babylona io avokoa izay toerana rehetra ahitana fanompoan-tsampy , fijangajangana , fitaoman-dratsy, fiavonavonana, fireharehana , fiheverana ho mahavita tena , fatokiana ny rentirenty sy ny haren’ny tany . Mila mitandrina ny mpino mba tsy ho voasarik’ireny . Andriamanitra irery no mahavonjy.

2-Marina sy mahitsy ny fitsarana ataony (and 2)

Ety an-tany no mety ahitana fitsarana miangatra , anjakan’ny kolikoly sy ny tsy fahamarinana . Tsy mahagaga raha toa ka enjehina sy fofoina ny Apostoly sy ny Fiangonana noho izy ireo mitory sy manambara an’i Jesoa Kristy fahamarinan’Andriamanitra . Tsy maintsy hotsaraina araka ny asany avy ny olona rehetra . Ny « setroka »(and3) dia famantarana ny fitsarana an’i Babylona . Aoka isika mpino mba tsy hanadino fa tsy maintsy hiseho amin’ny endriny feno sy miharihary ny fandresen’i Kristy , ka hitoetra ho mahatoky mandra-pahatongan’ny andro voatendrin’ny Ray hisehoan’ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fitsarany. Haleloia! Amena.

Fanontaniana :

Nahoana no mirehareha sy miavonavona ny mpanankarena?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV