Hafatra Taombaovao 2021

HAFATRA AVY AMIN’NY FILOHAN’NY FJKM
HO AMIN’NY TAOM-BAOVAO 2020
“MIORENA TSARA, AZA MIOVA!”

Ry havana malala, arahabaina amin’ny Anaran’i Jesoa, Ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay, nomeny ity Taona Vaovao 2021 ity.
Vao avy nandalo tany amin’iny faritra andrefan’i Madagasikara iny izahay, tsy ela loatra izay. Faritra be mokonazy iny faritra iny. Ny mahavariana dia izao: doran’ny olona ny toerana aniriany. Dia may ilay mokonazy. Hazo mainty be , voahodidina lavenona mainty no sisa tavela eo. Mahagaga anefa fa fotoana kelikely aty aoriana, io ilay mokonazy noheverinao fa
fongotra may teo, mitsiry maitso tsara tarehy indray. Toa nanampy azy ho teraka indray ny afo mandoza nandoro ny tanety nisy azy!


Dia lasana eritreritra aho ka te hirary soa amin’izao Taona Vaovao 2021 izao, na dia fantatro aza fa hahafaly ny ankizy ny hamadika ho fihomehezana ny firarian-tsoako hanao hoe:

“Enga anie ny Kristianina nolalovan’ny afo mandozan’ny coronavirus ho “kristianina mokonazy”: lalovan’ny fitsapana mahamay; fa teraka indray ao amin’i Kristy ho tsara noho ny tamin’ny lasa!
Enga anie ny Fianakaviana nosedrain’ny adim-piainana ho “Fianakaviana mokonazy”: nosedraina fa velona indray, mpandresy tsy levon’ny ratsy noho ny ran’i Jesoa!
Enga anie ny Fiangonana natsipy tao amin’ny lafaoron’ny hery mpandrava, ho“Fiangonana mokonazy” hampangaihay izay ratsy nikasa hanapotika, noho i Jesoa Lohany, nanorina azy, ka na ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita aza tsy haharesy azy!
Ity Taona 2021 ity anie ho taona sambatra hiorenana tsara ao amin’i JESOA KRISTY ka izay tsy mbola niorina, hiorina; izay efa niorina, tsy hirodana , izay nirodana hiorina indray!
Ity Taona 2021 anie ho taona sambatra tsy hiovana ao amin’i JESOA KRISTY ka izay tsy mbola niova tamin’ny ratsy fanao, hiova amin’izay; izay efa niova ho olom-baovao, tsy hiova intsony; izay efa niova niverin-dalana, hiova ho amin’ny fibebahana; ary izy efa tena niova hanjary hery mpanova hampandroso!


Miorena tsara! Aza miova!” (I Kor.15.58)


HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY!

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina
Filohan’ny FJKM


Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV