Hafatra Krismasy 2020

HAFATRA AVY AMIN’NY FILOHAN’NY FJKM
HO AMIN’NY KRISMASY 2020
“AVERENO AMIN’I JESOA NY KRISMASINY!

Amin’ny fo ravoravo no iarahabana antsika amin’izao Krismasy 2020 izao: arahaba , ry ilay nohasoavina . Amintsika Andriamanitra!
Ao anatin’izany fifaliana lehibe izany no anafarana antsika hoe:

Avereno amin’i Jesoa ny krismasiny!”. Indraindray manko: toa nangalarin’i Mamôna ny Krismasy ka ny resaka varotra sy vola no mibahana !

”Avereno amin’i Jesoa ny krismasiny!”. Indraindray manko: Toa nangalarin’ny hazo noely sy ry dadabenoely ny Krismasy, ka takon’izy ireny i Jesoa!
Avereno amin’i Jesoa ny krismasiny!”.
Indraindray manko: Toa nangalarin’ny “fety” ny Krismasy, ka ny fety atao fa i Jesoa Ilay tena tompon’ny fety, hadino!

”Avereno amin’i Jesoa ny krismasiny!”
Indraindray manko: toa nangalarin’ny haingo sy ny fisehoana ny Krismasy, ka ny ety ivelany, fatratra; ao anaty anefa, mihidy tsy azon’i Jesoa hidirana, hitondrana famonjena sy fitiavana!

”Avereno amin’i Jesoa ny krismasiny!”
Dia mirary Krismasy sambatra mahafaly an’I Jesoa aloha, vao hahafaly antsika koa!


HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IRERY IHANY! Amen.

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina
Filohan’ny FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV