SVM / Antso ho Tonia

SAMPANA VOKOVOKO MANGA  FOIBE FJKM

ANTSO HO TONIA

Noho ny fahabangana eo amin’ny toeran’ny Tonian’ny Sampana Vokovoko Manga FJKM, ny Biraon’ny Sampana Vokovoko Manga Foibe dia manao izao antso izao ho Tonian’ny Sampana Vokovoko Manga Foibe.

Toy izao ny andinindininy mahakasika izany:

  • Mpitandrina FJKM vita fanokanana ; mahalala tsara ny Sampana Vokovoko Manga FJKM , ary efa nitondra Fiangonana dimy(5) taona raha kely indrindra
  • Lahy na vavy 30 – 45 Taona
  • Manambady  (manan-janaka 3 fara-fahabetsany) , na tsy manambady
  • Manana ny mari-pahaizana “Maitrise en Théologie”
  • Mahafehy tsara ny solosaina
  • Mahafehy teny vahiny Frantsay sy Anglisy
  • Vonona hiasa avy hatrany, ary matihanina amin’ny asany

Raha mahaliana anao izany dia azonao alefa na aterina aty amin’ny Sampana Vokovoko Manga Foibe ( Foibe FJKM Immeuble Ifanomezantsoa Analakely , Varavarana 506 )  ireto antontan-taratasy manaraka ireto alohan’ ny  Zoma 27 Novambra 2020 :

  • Taratasy filazana ny mombamomba (CV) + laharana finday
  • Taratasy fangatahana asa
  • Taratasy fanolorana avy amin’ny Prezidà Synodaly
  • Photocopie mari-pahaizana

Amin’ny anaran’ny Birao SVM Foibe

Ny Filoha

RANAIVOARISOA Tiarison Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV