Alahady 22 Novambra 2020
FILIPIANA 3.17-21
Kristiana manahaka an’i Kristy
Hoy i Paoly tamin’ny kristiana tao Korinto : « Aoka hanahaka ahy ianareo , dia tahaka no hanahafako an’i Kristy » (1 Kor 11.1). Miantso ny kristiana izy haka tahaka azy , satria izy nahay naka tahaka an’i Kristy . Jesoa ano fenitra amin’ny zavatra rehetra . Izy no modely tsara indrindra . Isika kristiana dia :
1-Miezaka manome ohatra tsara (and 17)
Tsy nisy nahita an’i Jesoa tokoa isika amin’ny fotoana ankehitriny . Amin’ny alalan’ny famakiantsika ny Soratra Masina no hamakiantsika ny momba Azy . Jesoa anefa no fenitra alain-tahaka amin’ny zavatra rehetra . Niezaka Paoly nanome ohatra tsara maneho an’i Kristy tamin’ny zavatra rehetra . Isika izay mahalala an’i Kristy koa dia mila manao izany ezaka izany mba ho hitan’ny olona rehetra Kristy ka tonga fenitra alainy tahaka koa amin’ny zavatra rehetra . Adidintsika kristiana ny maneho izany . Amin’ny zavatra rehetra dia miezaka isika maneho an’i Kristy mba hahafantaran’ny olona Azy .
2-Manantena famonjena avy amin’i Jesoa (and 20)
Olon’ny fanantenana ny mino . Anisan’ny zavatra tsara ao amin’ny kristiana izany . Io fanantenana io no anisan’izay mampiavaka tokoa ny kristiana . Eo anatrehan’izao zava-manahirana misy izao dia manantena ny kristiana fa hamonjy azy i Jesoa Kristy . Anisan’izay ohatra tsara omen’ny kristiana ny fanantenana ny famonjena avy amin’ Andriamanitra . Isika kristiana sisa no tena anisan’ny mivoy ity resaka fanantenana amin’ny ho avy ity . Isika sisa no mamelombelona ny fanantenan’ny olona . Sady lova lehibe nomen’ny Apostoly ho an’ny fiangonana izany no foto-kevitra matanjaka ao amin’ny Baiboly .
Fanontaniana :
Modely amin’ny inona ianao amin’ny maha-mpino anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM