Sabotsy 21 Novambra 2020.

ASAN’NY APOSTOLY 3.1-8

Lehilahy tonga amin’ny fiderana an’Andriamanitra

Lehilahy nobataina isanandro mba hangataka no tonga nidera an’ Andriamanitra tao amin’ny Fiangonana , rehefa avy novonjen’i Jesoa tamin’ny alalan’ny Apostoly . Miezaha manokana koa ianao hanampy ny hafa ka :

1-Mba jereo izay mila vonjy (and 3,4)

« Ary i Petera sy Jaona nibanjina azy » . Nijery ity lehilahy ity Petera sy Jaona mialohann’y nidirany tao amin’ny Tempoly . Mampianatra antsika Lioka eto amin’izao perikopa izao mba hijery ireo izay tena mila vonjy . Alohan’ny hihaonana amin’ny Tompo dia zava-dehibe ny mahita ireo izay tena mila famonjena . Aza dia ho mana-maso nefa minia tsy mijery e!

2-Mba omeo izay ananana (and 6)

« Fa izay ananako no omeko anao » . Eoa anatrehan’ny mila vonjy , tsy mitaky antsika hamorona ny tsy misy ny Soratra Masina . Izay ananana azo omena no aolotra ho enti-mamonjy ny hafa . Raha ny marina dia mila antsika malala-tànana ny Tompo . Mila antsika manana fo onena sy vonona hamonjy ireo izay mila izany tokoa . Jesoa no zavatra tsara sy sarobidy indrindra azontsika omena ny olona rehetra .

3-Mba atoroy izay malemy (and7)

« Ary noraisiny tamin’ny tànany ankavanana ralehilahy ka natsangany « . Raha niteny i Petera , tsy avy hatrany akory ilay lehilahy dia nitsangana fa mbola tsy maintsy noraisiny izy , ary najorony ka afaka nitsangana tsara . Mila fiezahana manokana avy amintsika ny hafa vao mba ho afa-mijoro tsara , miala amin’izay mampalemy azy . Koa aoka hanana toepanahy vonona hanampy azy ireny hatramin’ny farany isika .

Fanontaniana :

Inona no mety mahatonga ireny olona nampiantsika ireny tsy tonga amin’ny fiangonana midera an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV