Alahadin’ny KPMS 2020

FANDAHARANA IOMBONANA

  • FIARAHABANA APOSTOLIKA :APOK 1: 4
  • FISAORANA SY FIDERANA:
  • Ataon’ny Mpitarika:   SALAMO 42: 1-2a
  • Iombonana:                SALAMO  145: 13-17
  • Hira 6: Avia miondreha
  • Vavaka fiderana sy fisaorana.
  • FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA:
  • Fitarihan-teny: OHABOLANA 20: 22
  • JAKOBA 3: 17-18
  • Hira 163: 2 Andrandranao ka andraso
  • Vavaka Fifonana
  • Hira FF 39: 2Ray ô mba faniriako
  • FAMELANKELOKA:
  • Fitarihan-teny: ASAN’NY APOSTOLY 4: 12
  • JAKOBA 1: 17-18+ ROMANA 8: 1
  • Hira 487: 1 Fanavaozan’izay mahagaga tokoa
  • Fanekempinoana laharana fahaefatra.
  • ASAN’NY FIANGONANA:
  • Filazandraharaha sy fanentanana samihafa.
  • Famakiana ny hafatra avy amin’ny KPMS.
  • Rakitra: Hira SAMPANA
  • Fanolorana ny rakitra: Hira 434: 4
  • FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA:
  • Fotoana ho an’ny ankizy sy tanora.
  • Hira FF 10: 1Mivavaka aho satria
  • Vakiteny :II TANT 14: 10-14, MAR 7: 24-30, FIL 3: 17-21
  • Hira 427: 2Ho vavolombelonao
  • Toriteny
  • VAVAKA FANGATAHANA farananana amin’ny

“Rainay Izay any an-danitra………………….”

  • ASA VAVOLOMBELONA
  • FAMARANANA: Hira FF 53: 1Tsy ho toa izao Jesoa
  • Hafatra:                      Isaia 40: 31
  • Tsodrano: ROMANA 16: 20
  • TRINITE

TORITENY

  “MIANDRANDRA FAMONJENA AVY ANY AMBONY AVY AMIN’I JESOA NY MINO

FILIPIANA 3: 17-21

Manomboka amin’ny fitaomana sy fampirisihana am-pitiavana ity Tenin’Andriamanitra ity mba ho fianarana amin’ny toetra tsara izay mitarika sy mampianatra.

Hita misongadina eto àry fa ny MPINO MIANDRANDRA FAMONJENA AVY AMIN’I JESOA dia:

  1. MIFANOME OHATRA TSARA:

and 17: “Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika.” Eto I Paoly Apostoly dia mijoro ho vavolombelona, izy no manatanteraka voalohany ny asa hitaomany ny hafa, manaiky atao marika izy izany hoe tsy mpibaiko fotsiny fa modely. Izany anefa tsy avy amin’izay fiheverany ny tenany sy izay fahaizany fa miainga avy amin’ny fanahafany an’I Kristy araka ny teniny ao amin’ny I Kor 11: 1 rahateo hoe: “Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.” Ny hoe manahaka an’I Kristy dia mitady izay hahasoa ny maro mba hamonjena azy (I Kor 10: 33) izany hoe I Jesoa no Modely ambony indrindra ka izay mitaona ny hafa dia maka Modely an’I Jesoa, mianatra ao amin’I Kristy, manahaka an’Andriamanitra amin’ny maha endrik’Andriamanitra antsika.

Io endrik’Andriamanitra io moa dia very tao Edena fa naverin’I Jesoa Kristy, Ilay endrik’Andriamanitra (Kol 1 : 15), teo amin’ny Hazofijaliana.

  • Efes 5: 1: “Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala”
  • Heb 6: 12: “Hanahaka ireo mandova araka ny teny fikasana amin’ny finoana sy ny faharetana.”

Tena baiko nataon’i Jesoa hoe isika maneho ny maha endrik’Andriamanitra : Mar 12: 17. Aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

Zava -dehibe sy takiana ary mahasoa eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana sy ny asam-piangonana ny fitondrantenan’ny mpitarika sy ny mpampianatra. Ambaran’ny Tenin’Andriamanitra eto izany fa izy ireo no ohatra velona eo amin’ny fotompinoana sy ny fiainam-baovao izay toriany sy ampianariny mba ho fianarana ho an’ireo tarihiny sy ampianariny. (I Tim 4 : 12, ; 2 : 7 ; I Pet  5 : 3) mba hahatonga ny Mpino tsy anaraka an-jambany fa hanaja ny mpanompon’Andriamanitra izay mitondra fahazavana, fahendrena, fahamasinam-piainana vokatry ny asan’ny Fanahy Masina miasa ao amin’izy ireo.

2MANOHITRA IREO FAHAVALON’NY HAZO FIJALIAN’I KRISTY (and 18-19)

and 18: “Fa maro no mandeha, izay efa nolazaiko taminareo matetika, sady mbola lazaiko aminareo amin’ny fiomanana koa ankehitriny, fa fahavalon’ny hazofijalian’i Kristy ireny”

Maro ireo fahavalon’ny hazofijalian’I Kristy ary tena nampitomany an’I Paoly Apostoly mihitsy.Ny mahazatra antsika amin’ny Epistilin’ny Filipiana dia hoe Epistilin’ny fifaliana. Tsy tongatonga foana anefa izany fa nisy zavatra maro sy mafy niaretana, nisy ady natrehina ka raha tsy nandresy teo ambany herin’Andriamanitra tsy afaka mifaly. Maro ny ady atrehin’ny Fiangonana ary maro ihany koa ireo sakana ataon’ilay ratsy amin’ny alalan’ireo tsy mpino sy ny fampianarandiso. Tamin’ny andron’ny Apostoly dia ny Jiosy no tena nankahala ireo mpitory sy nanenjika azy ireo tahaka izay nahazo an’I Jesoa ihany nefa niaretany ireny mba hahatanteraka ny famonjena amin’ny fampielezana ny Filazantsara. Nandà ny maha Mesia an’ I Jesoa manko izy ireo izany hoe nandà ny maha Andriamanitra Azy.  II Tim 3: 5 .

Raha hijery ny ady amin’ny VIH/ SIDA manokana isika, maro no mirotsaka amin’izany ady izany kanefa amin’ny fomban’izao tontolo izao izay manohitra sy tsy araka ny Tenin’Andriamanitra

Raha ny fahadiovam-pitondrantena no tokony hovohizina dia ny mifanohitra amin’izany fa vao maika ampirisihana sy omena vahana eo amin’izao tontolo izao ny fomba ratsy manafaingana sy mampiely ny VIH/ SIDA, anisan’izany ny fiarahan’ny olona mitovy taova fananahana, ny mamela malalaka ny fijangajangana. Misy tena asan’ny devoly mivantana mihitsy ny faharatsiam-pitondrantena ka vao maika izany manamafy ny fampiasana ny fahefan’i Kristy amin’ny famongorana ireny hatramin’ny fakany. (Mar 7 : 24-30). Aoka hazava fa eo amin’ny ady rehetra atao, raha vao tsy mifanaraka amin’ny Sitrapon’Andriamanitra ny paikady dia efa fahavalon’ny Filazantsara satria manimba ny fiainana mahaolombelona. Ny fahavalon’ny Filazantsara ihany koa dia ireo miseho manampy nefa mitondra ho any amin’ny lalan-diso miafara any amin’ny fahaverezana. (and 19): fahaverezana no hiafarany, ka ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny an’ny tany izy. Misy ireo mifarombaka manao tetikasa nefa fitadiavana tombontsoa no tena betsaka fa tsy ny fanajana ny fahamendrehan’ny mahaolombelona. Ny fahavalon’ny hazofijaliana dia ireo mitondra fampianarandiso (and 2). Mitory ny Filazantsara nefa mampiditra ny fomba ratsin’izao tontolo izao eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana sy ny asan’ny Fiangonana. Ireny fomba manimba ireny anefa dia efa nohombohan’I Kristy teo amin’ny Hazofijaliana mba tsy hanankery amintsika intsony. ( I Kor 1: 17-18; Gal 2: 20; 5: 11-24; 6: 12-14).

Teo amin’ny Hazofijaliana no nanafoanan’I Kristy ny herin’ilay ratsy izay mitondra filan-dratsy sy faharatsiam-pitondrantena ka tsy avela hiverina indray eo amin’ny fiainan’ny olona izay efa novidian’I Kristy lafo tamin’ny Rany. Loza mamely ny firenentsika ny faharatsiam-pitondrantena (Est 8: 6) ka mila ny herin’Andriamanitra ao amin’I Kristy isika hoentina mandresy izany tahaka izay niadian’I Asa tamin’ny fahavalon’ny fireneny ka nitalahoany tamin’Andriamanitra (II Tant 14: 10).

3-MANAIKY HIASAN’NY HERIN’I KRISTY. (and 20-21)

Tsy milaza ny tsy mety fotsiny isika fa mitondra izay tokony ho atao: and 20.Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia I Jesoa Kristy Tompo. Amin’izay zavatra rehetra atao dia atao ho fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra, fanehoana ny maha zanaky ny fanjakan’Andriamanitra (citoyens) ary miaina araka ny maha zanak’Andriamanitra. (Mat 6: 33).

Manaiky hiasan’ny herin’I Jesoa.  Ny tanjona amin’ny asa izay atao, izay rehetra miandrandra famonjena dia manaiky averina amin’ilay mahaendrik’Andriamanitra (Gen 1: 26), asan’I Kristy izay manova ho olom-baovao izany. (I Kor 5: 17.)Ny fiandrasana ny Mpamonjy dia manaiky hovainy mba tena ho mendrika tsara rehefa tonga Izy. (Heb 6:12). Ilay fiovana dia raisina amin’ny fanentrentena, ao amin’ilay tenan’ny fietrena, rehefa manaiky havaozin’I Kristy, dia omeny ny tenan’ny voninahitra, lasa tempolin’Andriamanitra, manana ny fiainan’I Kristy Ilay nitsangana tamin’ny maty, ny olona hiasan’ny herin’ny hazofijaliana. Amin’izay asan’Andriamanitra atao dia tsy tokony hahamenatra mihitsy ny hampiatra ny Filazantsara

(Rom 1: 16)I Jesoa Kristy irery ihany Izay miasa ao anatin’ny Filazantsara no afa mitondra fiovam-pitondrantena feno (Communication pour le Changement Complet de Comportement), izany hoe fiovampo, fihavaozan’ny saina amam-panahy ho amin’ny fiainam-pahamasinana tanteraka. Ny akon’izany eo amin’ny manodidina dia ny maha Fanasina sy fahazavana sy mpanompo mahatoky ary vavolombelon’i Kristy Ilay maty sy nitsangana tamin’ny maty ka mahatonga ny Kristiana ho filazantsara mivelatra eo anivon’ny fiarahamonina tahafina amin’ny teny sy toetra ary asa tsara rehetra. Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra . Amen

………………………………………………………………………………………………

TARATASY PASTORALY.

“Hampitomboina ho anareo anie ny famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavana.” Amen JODA 2

Misaotra an’Andriamanitra tamin’ny fombany antsika.

Ho fanatanterahana ny Tenin’Andriamanitra hoe “Fa ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko?” (Est 8: 6a) dia vita ny fanavaozana ny Birao ny Komity Foiben’ny KPMS izay notanterahina tany Moramanga tamin’ny 04 sy 05 Desambra 2019. 

Ireto avy no voafidy tamin’izany hanatanteraka ny asa mandritra ny efa-taona indray:

  • Ny Filoha: Atoa RAZAFIMAHATRATRA Jean William,,Mpitandrina.

–       Filoha Mpanampy Mpitandrina : Atoa RANDRIAMISAINA Landison Triomphe., Mpitandrina

–       Filoha Mpanampy Laika : Atoa ANDRIANALITSIMBA Solofo E. Justin.

  • Mpitantsoratra (Fivoriana) : Atoa RAKOTOMANANA Tahiry, Mpitandrina
  • Mpitantsoratra (Vola) : Atoa RANDRIAMANANTENA SOLO Jean Jacques Séraphin, Mpitandrina.
  • Mpanolotsaina Mpitandrina : Atoa MARINASY Mpitandrina
  • Mpanolo-tsaina Laika : Rtoa RAJAONAH Dina.

Ireo no Komity Foibe mpanapakevitra ary ireto kosa ireo Ekipa teknika tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana:

  • Mpandrindra Nasionaly:Atoa RAVOAVISON René
  • Mpandrindra Mpanampy: Atoa ANDRIAMANALINA Hery Zo
  • Mpitantana:Atoa RANDRIAMBOLAJAONA Hajarisoa Niaina
  • Mpandraharaha:Atoa RATOLOJANAHARY Andrisoa Malala
  • Solotenan’ny Mpamatsy vola sy mpiaramiombon’antoka: Rtoa Elisabeth TURK.

Na dia teo aza ny valanaretina Coronavirus na ny COVID 19 sy ny fihibohana naterak’izany dia tanteraka avokoa ny asa fanofanana tamin’ireo Toeram-Panomanana ary ambonin’izany dia niezaka nizara fanampiana ho azy ireo ny KPMS.

Manarak’izany dia mitohy hatrany ny fiofanana atao amin’ireo Mpianatra ho Mpitandrina amin’ny Toeram-Panomanana Mpitandrina izay nifarimbonan’ny Komitim-pirenena KPMS sy ireo Ekipa teknika.

Ireto avy ireo toerana sy ny daty nanatanterahana izany :Vita soamantsara ny fanofanana )-Ivato (16-17-18 Jona 2020); tany Fianarantsoa (8-9 Oktobra 2020); Ambatondrazaka (28-29 Oktobra 2020); Mandritsara (03-04 Novambra 2020). Miaramiasa akaiky amin’ireo fikambanana samihafa sy ny fanjakana ny KPMS ary manohy hatrany ny asa toy ny fitiliana, fandraisana an-tànana ireo marary sy ny fianakaviany miaramiasa amin’ireo médecins référents (Dokoteram-panjakana miandraikitra manokana ireo PVVIH).  Ary efa miomana ihany koa ny amin’ny ao Ambatonakanga sy ny IFRP izay voatery nahemotra noho ny fihibohana (confinement total). Noho ny toejavatra sarotra nolalovana ihany koa dia nisy ny fihenan’ny ora fiasana sy ny karama niombonana tamin’ny mpiasa raikitra rehetra tao amin’ny Foibe FJKM izany. Araka ny teny fanevan’ny KPMS manao hoe :« Ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko ? » dia tsaroana fa tsy amin’ny ady amin’ny VIH SIDA ihany izany fa eo koa ny valanaretina vaovao izay mahazo izao tontolo izao ary tonga eto Madagasikara dia afaka namokatra masque (sarovava orona) ary afaka nanome izany ho an’ireo raiamandreny Mpiandraikitra Foibe izay nivory ny volana Novambra, nisy ihany koa ireo hafa izay nomena nandritra ny fanofanana

Isaorana manokana Ramatoa Elisabeth TURK fa na dia voatery nody any Amerika aza izy, ny fony sy ny sainy manaraka akaiky ny KPMS sy ny asa napetraky ny Fiangonana aminy ary mikaroka ny hevitra samihafa mba hahafahana manohy ny asa hatrany.

Manantitra hatrany ny fisaorana antsika mpiaramiombon’antoka, mpiantsehatra, mpiaramanompo, mpanohana ara-bola. Misaotra manokana ihany koa ny ambaratonga mpiahy dia ny Foibe FJKM na ny Mpanapakevitra izany na ny Mpanatanteraka. Ankasitrahana manokana ihany koa ireo nanohana tamin’ny fomba samihafa : vavaka, asa, fanohanana ara-bola.

Atolotray eo amin’ny takila manaraka ireo Fiangonana sy Fikambanana izay nanao izany. Raisina am-pitiavana hatrany izay mety ho fanohanana ataontsika. Ny fanohanana ara-bola dia afaka atolotra mivantana ao amin’ny rihana fahaefatra Foibe FJKM, ao amin’ny Biraon’ny KPMS na arotsaka amin’ny Kaonty BOA : 05020 1 602281 000 9 42 KPMS/ FJKM. Manaitra antsika fa takonan’ity valanaretina vaovao Corona Virus ity ireo aretina samihafa anisan’izany ny tazomoka, raboka na tuberculose, peste, sns anisan’izany ny VIH SIDA izay samy mbola misy ary misy tena mahazo vahana aza satria hadino ny fiatrehana azy koa dia samia mailo isika.

Maniry antsika rehetra mba samy hanangana ny Komity any amin’ny ambaratonga misy antsika tsirairay avy: Komitin’ny Synodamparitany miady amin’ny VIH SIDA, Komitin’ny Fitandremana miady amin’ny VIH SIDA. Ny Mpitandrina rehetra moa dia efa nahazo fiofanana momba ny VIH SIDA avokoa koa raha misy fiarahamiasa ilaintsika dia afaka manatanteraka izany ny KPMS na fampianarana izany na fanofanana na fananganana ilay Komity. Afaka mifandray amin’ny Mailaka ihany koa sy amin’ireto finday ireto: kpms.fjkm@gmail.com: Pasteur William: 033 14 477 16, 032 07 536 86.

Miara-miandrandra famonjena amin’I Jesoa Kristy isika ary mangataka Aminy handavorary ny zara-fanompoantsika amin’ny alalan’ny fanompoampivavahana isam-pitandremana amin’ny Litorjia iombonana avoakan’ny Komity Foibe KPMS izay hatao ny Alahady 22 Novambra 2020.

Raha sendra misy ny fotoana mifanindry dia afaka manendry fotoana hafa.

Hanasana antsika ny fanarahana ny fandaharana asa vavolombelona ao amin’ny Radio Fahazavana (88. 6) isaky ny Alatsinainy fahatelo amin’ny Volana amin’ny 07 ora sy 35 minitra hariva. 

Dia manetana antsika rehetra mba handray anjara mavitrika amin’ny hetsika ady amin’ny VIH SIDA izay fanao isan-taona manerana izao tontolo izao mandritra ny andro iraisampirenena hiadiana amin’ny VIH SIDA isaky ny voalohan’ny volana Desambra. Dia samy mitrotro amim-bavaka isika ny Komity Foibe KPMS FJKM izay hatao any Morondava ny 08 Desambra hatramin’ny 10 Desambra 2020, raha sitrapon’Andriamanitra.

Andriamanitra Raintsika anie hitahy antsika sy hiaro antsika, hampamirapiratra ny tavany amintsika ka hamindra fo amintsika, hanandratra ny tavany amintsika ka hanome antsika ny fiadanana ao amin’I Jesoa.

Ny KPMS FJKM dia mirary Krismasy Sambatra 2020 sy Taombaovao 2021 homban’ny fahamasinan’ny Tompo ho antsika rehetra.

Amin’ny anaran’ny Komitim-Pirenena miady amin’ny VIH SIDA KPMS FJKM

Ny Filoha:

Atoa RAZAFIMAHATRATRA Jean William, Mpitandrina.

…………………………………………………………………………………………………………………….

IREO FIANGONANA NANAO RAKITRA HO AN’NY

ALAHADIN’NY KPMS NY 24 NOVAMBRA 2019

LahDATYSPFITANDREMANAVOLA VOARAY (Ar)
125/11/2019SPAA10FJKM Anosizato Hebrona247200
225/11/2019SPAA10FJKM Ambalavao Isotry44500
325/11/2019SPAA10FJKM Ambohijatovo Fitiavana50000
425/11/2019SPAA10FJKM Andohatapenaka Fifankatiavana27800
525/11/2019SP39FJKM Manjakatompo11700
626/11/2019SP38FJKM Ziona Fahazavàna Sailaza16000
726/11/2019SP12FJKM Manohisoa Fitiavana10000
826/11/2019SP15FJKM Ampangabe Famonjena33500
928/11/2019SP11FJKM Ambohitsimihozo5500
1028/11/2019SP15FJKM Amboanjobe Famonjena19000
1128/11/2019SP15FJKM Amparihilandy Betela8100
1228/11/2019SPAA10FJKM Ambohimena Fahasoavana38000
1328/11/2019SPAA10FJKM Ambodihady Vaovao30000
1428/11/2019SPAA12FJKM Ambohimiandra142300
1529/11/2019SPAA10FJKM Betela Marobiby64200
1629/11/2019SPAA12FJKM Imerinkasinina Fanasina55000
1729/11/2019SP15FJKM Antanetibe Maromby2800
1829/11/2019SPAA10FJKM Ambodimita Betela Firaisana73800
1903/12/2019SP15FJKM Ankerana Filadelfia5300
2003/12/2019SP22FJKM Manampisoa Fideràna17350
2103/12/2019SPAA12FJKM Ambatomena175300
2204/12/2019SPAA12FJKM Anonimasina Ziona71600
2304/12/2019SP36FJKM Analaiva Faharetana6200
2404/12/2019SP36FJKM Croisement Betoho9000
2504/12/2019SP36FJKM Antsaribao9000
2609/12/2019SP27FJKM Sanganoro Fahazavàna18500
2709/12/2019SP06FJKM Ambovombe Anivo4000
2809/12/2019SP06FJKM Ambohipierenana Ambalamanakana1500
2909/12/2019SP06FJKM Longoasy9400
3009/12/2019SP06FJKM Tsararivotra9300
3110/12/2019SP38FJKM Tranovato Ambohitsambaina A & O10400
3210/12/2019SP33FJKM Ivohibe18900
3310/12/2019SPAIM15FJKM Ambohidavenona Lovasoa7400
3411/12/2019SPIA19FJKM Ambohibao Avaratra10200
3511/12/2019SPAA11FJKM Ifarihy Famonjena20000
3612/12/2019SPAA10FJKM Salema Vaovao30000
3712/12/2019SP31FJKM Zoara Famonjena50000
3816/12/2019SPAA13FJKM Ziona Famonjena Imerintsiatosika161300
3918/12/2019SP03FJKM Ambohitrarivo20600
4018/12/2019SP36FJKM Bemanonga Fitiavana4800
4109/01/2020SP15FJKM Ankavodiana21 300
4209/01/2020SPIA19FJKM Tranovato Ambatonakanga100 000
4310/01/2020SP01FJKM Antanandrano 33 700
4410/01/2020SP27FJKM Ambohimirary6 000
4510/01/2020SP27FJKM Ankotrabe4 200
4615/01/2020SP05FJKM Vohidiala10 000
4717/01/2020SPAA10FJKM Ziona Fahazavàna Anosibe100 000
4823/01/2020SP36FJKM Analamitsivalana3500
4924/01/2020SP27FJKM Amparaky Fitiavana3200
5024/01/2020SP27FJKM Ambatolampy Faharetana7500
5129/01/2020SPIA19FJKM Faravohitra955100
5229/01/2020SP29FJKM Mahavelona Finoana17700
5310/02/2020SP25FJKM Mahasoabe14000
5411/02/2020SPAA11FJKM Vontovorona82200
5512/02/2020SPAA12FJKM Andrainarivo150000
5612/03/2020SPIA19FJKM Antanimena Andrefana100000
5713/03/2020SP06FJKM Nanandrano3400
5813/03/2020SP06FJKM Iakarina1500
5913/03/2020SP06FJKM Vohimarina1500
6013/03/2020SP06FJKM Ambondrona1500

……………………………………………………………………………………………………………….

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV