Alakamisy 19 Novamb 2020.

ROMANA 13.11-14

Ny maha-olom-boavonjy

Ny Epistily nosoratan’iPaoly ho an’ny Romana dia Epistily lehibe teo amin’ny Teolojia satria ireo ngezalahy rehetra amin’ny fandinihana Soratra Masina dia saika nandinika ary nanazava azy avokoa . Amin’i Paoly ny olom-boavonjy dia :

1-Efa nifoha (and. 11)

Ny fotoana ankehitriny, hoy i Paoly dia tsy fotoana fatoriana intsony. Noho izany, tsy olon’ny torimaso ,tsy olon’ny alina, tsy olon’ny tsy fiasana na ny fialan-tsasatra ny mino. Olon’ny mazava ny mino, olon’ny andraikitra. Olona efa afaka tamin’ny tontolon’ny alina sy ny aizina koa, ka tsy misy zava-maizina mamatotra azy intsony.

2-Tsara fitondrantena (and. 12)

Amin’ny alina dia azo afenina ny zavatra ataon’ny olona, mety ho takona ka tsy misy mahita mihitsy aza izany. Rehefa tonga kosa anefa ny atoandro, rehefa tonga ny andro dia hita miharihary avokoa ny zavatra rehetra atao. Amin’ny maha-kristiana, satria efa ho hita miharihary ny zavatra rehetra atao dia mila mitandrina tsara, amin’izay tenenina ,amin’izay hitondrana ny tena mihitsy. Zanaky ny mazava rahateo no niantsoan’i Paoly ny kristiana (Efes. 5.8b).

3-Mitafy an’i Kristy (and. 14)

Ny fitafiana eto amin’izao andininy izao dia maneho fiarovana. Ny hoe : mitafy an’i Kristy dia tena miezaka miaro ny tena amin’ny filàna samihafa amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy. Izay mitafy an’i Kristy dia arovan’i Kristy. Mila ny herin’Andriamanitra isika raha te-handresy ny asan’ny nofo.

Fanontaniana :

Inona avy ireo singa hamantarana ny maha-olomboavonjy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV