Alarobia 18 Novambra 2020
MATIO 20.29-34
Ireo dingana arahana hahazoana famonjena ka hanarahana an’iJesoa .
1-Mandre ny Aminy (and 30)
Ambaran’ny tantara fa rehefa nandalo Jesoa dia ren’izy mirahalahy . Zavatra voalohany indrindra , zavatra tena laharam-pahamehana amin’ny fanasitranana sy famonjena ity fandrenesana ny amin’i Jesoa ity . Antoky ny fanasitranana sy ny famonjena mantsy izany . Isika dia afaka mandre mandrakariva ny amin’i Jesoa amin’ny alalan’ny Soratra Masina sy ny toriteny .
2-Mifandray Aminy (and 30-32)
Nanosika ireo jamba hiantso an’i Jesoa ny fandrenesany ny fandalovany . Nosakanan’ny olona izy ireo tamin’izany kanefa nohoaran’izy roalahy ny sakana . Tsy nanaiky izy ireo raha tsy nifandray tamin’i Jesoa . Ary rehefa nifandray tamin’i Jesoa izy ireo dia nangataka famonjena taminy Aza mety ho voasakana tsy hifandray amin’i Jesoa mpamonjy . Ny sakana hisy hatrany nefa miezaha mandrakariva .
3- Mamboraka izay mahatery Aminy (and 32-34)
Rehefa nanontanian’i Jesoa izy mirahalahy dia izay tena nahatery azy , izay tena nilainy tamin’ny fiainany no nangatahany tamin’i Jesoa . Ary rehefa nangataka izy ireo dia nomen’i Jesoa azy izany . Asehon’ny tantara fa afaka manome izay zava-mahasoa angatahana Aminy i Jesoa . Rehefa nahazo kosa anefa izy ireo dia tonga mpanara-dia an’i Jesoa .Angataho amin’i Jesoa izay ilaintsika sy mahasoa antsika mba hahafahantsika manaraka Azy koa.
Fanontaniana :
Inona avy no zavatra takiana amin’izay tapakevitra hanaraka an’i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM