Tatitra 50t / Tsangambato



Fitokanana ny trano fivavahana Filadelfia sy fandraisana ny fanalahidin’ny tsangambaton’ny faha-50 taona 

🔹 Notanterahina ny Sabotsy 14 Novambra 2020 ny fanompoam-pivavahana fiderana an’Andriamanitra sy fitokanana ny trano fivavahana Filadelfia ao amin’ny Kolejy Teolojika Ivato. Fiaraha-miasa teo amin’ny Fiangonana Presbyteriana TAOK avy any Korea Atsimo sy ny Fiangonana FJKM no nahatontosana izao asa izao

.🔹Nifanindran-dàlana tamin’izany  koa ny fanoloran’ny Komity ny fanalahidin’ny Trano lehibe iray izay tsangambaton’ny faha-50 taonan’ny FJKM. Efa tamin’ny taona 2018 ny namaranana ny taon-jobily kanefa mbola namarana ny asa ny Komity (araka ny fanambaran’ny Filohan’ny FJKM /intw past. Ammi). Fianakaviana 75 no mpianatra Mpitandrina eny amin’ny Kolejy ankehitriny ( taona 2020), afaka misitraka amin’izao fotodrafitrasa izao.
🔹 Ny rihana voalohany misy efitra 8, ny rihana faharoa misy kiefitrefitra 20 ary ny rihana fahatelo dia efitrano lehibe mirefy 51metatra amin’ny 12 metatra. Efa vita ny asa fanorenana, ny fampidirana ny rano sy ny jiro no mbola dingana manaraka atrehana. 

🔹Ny Filoha mpanampy Biraon’ny mpiandraikitra foibe , Andriamatoa ZARAZAKA Jean Louis ,Mpitandrina no nitarika ny fotoana ary ny Filohan’ny FJKM, Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina kosa no nitondra ny Tenin’Andriamanitra. Avy amin’ny Apokalipsy 3: 7,9 no nakana ny hafatra ka teboka 3 lehibe no nivoitra avy tamin’izany dia ny hoe :

Mihazona ny fiangonany i Jesoa, matokia tsara.
Mihevitra ny Fiangonany i Jesoa, mitandrema tsara.
Tia ny fiangonany i Jesoa, miorena tsara. 

🔹Ny litorjia FJKM momba ny fitokanana moa no narahina tamin’io fotoana io. Teo am-pidirana dia nisy ny fotoam-bavaka, ny fanapahana ny kofehy fitokanana sy ny fitokanana ny takela – bato ary nitohy nandritra ny fanompoam-pivavahana izany. 
🔹Nisy ny fandraisam-pitenenana maro samihafa, ary Antoko mpihira 4 no nanafana ny fotoana.
Sakafom-pifaliana kosa izay nokarakarain’ny Filohan’ny Komity  nenti-  namaranana ny fotoana teny amin’ny efitrano lehibe. Tamin’izany indrindra no nanoloran’ny Filohan’ny Komitin’ny faha – 50 taonan’ny FJKM, Andriamatoa Ravalomanana Marc mivantana ny fanalahidy rehetra tamin’ny Filohan’ny FJKM. 
Tanteraka soamantsara avokoa ny fandaharam-potoana na dia teo aza ny ora-mikija sy ny havandra lehibe. 

Veronica A/ Mamy Danieline 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV