Alatsinainy 16 Novamb 2020

JAKOBA 2.14-26

Finoana miseho amin’ny asa

Anisan’ny Apostoly nanao ny asa ho zava-dehibe amin’ny asasorany Jakoba . Aminy , ny tena kristiana dia izay misy sy miasa ho an’Andriamanitra ka manasoa ny mpiara-belona aminy . Araka izany ,ny tena mino dia :

1- Maneho ho hita maso ny finoany (and14)

DIEM « inona moa no soa azon’ny olona milaza azy ho manam-pinoana raha tsy miseho amin’ny asa izany ? »

Avy amin’izao andinin-tSoratra Masina izao isika no mahita fa hay ny asa no endrika ahitana imaso ny finoana izay tsy hita maso . Azo atao tsara araka izao ny maneho ny finoantsika an’i Jesoa ho hita maso . Koa ny asa ataontsika no maneho ny finoantsika . Ny asa fanasoavana ny hafa rehetra dia tena fanehoana ny finoana an’iJesoa izay inoana no aseho amin’ny alalan’ny fanaovana sy ny fanohizana ny asany eto amin’izao tontolo izao .

2-Miasa tsara (and17)

Tsara ihany ny mitondra fanazavana ho antsika « Protestante Reformé  » dia mino aloha isika vao miasa;Ilay finoana no miteraka asa. Tsy izy ny mifamadika amin’izany . Ny finoana tsara mantsy no miteraka asa tsara . Araka izany dia aoka hozava-dehibe amintsika aloha ny finoana. Izany rahateo no hamonjena antsika. Koa izay mino ary miasa no afaka miandrandra famonjena . Ilay finoana tao amin’i Abrahama no nahatonga azy hanolotra ny zanany ho an’nyTompo . Izany koa no hitaomana antsika ankehitriny . Aoka ho mafy orina tsara ny finoana mba hiteraka asa tsara izany . Mila olona toy izany ny Fiangonana sy ny firenena.

Fanontaniana :

Inona avy no asa tsara ateraky ny finoana marina an’iJesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV