Sabotsy 14 Novambra 2020
LIOKA 16.1-8
Ny amin’ny fananana nampitandreman’ ny Tompo
Tsarovy fa tsy maintsy misy ny tatitra momba anao (and1)
Nampangain’ny olona ho mpandany ny fananan’ ilay mpanakarena , izay tompony ity lehilahy ity . Fantany tsara fa tsy maintsy ho voaraoka izy . Teo anatrehan’ izany dia tsy mba nitaredretra izy fa avy hatrany dia nitady ny fomba ahazoany famonjena rehefa mby ho tonga ny fotoana tsy maintsy ialana ao amin’ny tompony . Na dia mpitandrina tsy marina aza izy dia nahazo dera tamin’ilay tompony ihany noho ny fahakingany sy ny faharanitan-tsaina nananany (and 8) . Tian’ny Tompo aseho avy amin’izany fa ilaina amin’ny fahaiza-mitandrina ny fahaiza-manararaotra ny fotoana kely ananana, hampaharitra ny vokatra amin’ny anjara fitantanana nampitandremana ny tsirairay . Antomotra ny andro koa meteza hianatra mitantana amin’ilay Tompon’ny fahendrena sy ny faharanitan-tsaina (Oha 8.12)
Tsarovy fa mbola hampamoahana ianao (and 2)
Nanao ampamoaka eto ilay mpanakarena tompom-pananana rehefa naheno ny tatitra mahakasika ity mpitandrina ny fananany ity . Isika ihany koa ry havana araka ny ambaran’ny Tompo dia mpitandrim-pananana fa tsy tompon’izay eo an-tànantsika . Azy ny zavatra rehetra ka natolony hotandremana izany avokoa . Ho avy ny andro tsy maintsy hanaovan’ny Tompo ampamoaka amin’izay fomba nitantanantsika ireo . Aoka ho azonao antoka mandrakariva fa marina sy mahatoky teo anatrehany ianao . Jesoa ilay mpita-marika mahay , mpitantana hendry no aoka ho ekentsika hitantana ny antsipiriam-pianantsika mba ho azo antoka ny famonjena antsika .
Fanontaniana :
Nanomezanao voninahitra an’Andriamanitra sa nitadiavanao tombotsoa ho an’ny tenanao fotsiny izay nomen’ny Tompo hotantananao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM