Zoma 13 Novambra 2020
SALAMO 130.1-8
Andriamanitra Mpamonjy
1-Mendrika hatahorana noho ny famindrampony (and1-4)
Ampianarin’ny mpanao salamo eto fa rehefa ao anaty fahoriana isika no tena tokony hahatsapa lalina sy hiaina tanteraka ny famindrampon’ Andriamanitra . Izy ilay tsy mba manilika na rikoriko amin’ny fahorian’ny ory (Sal 22.24) . Rehefa antsoina Izy dia mandre (and1-2) . Ny famindrampony no ataony lehibe indrindra noho ny fandinihana ny heloka sy ny fahadisoana vitantsika , ka tsy hitsarana antsika (and 3). Noho io famindrampony io dia manjary ataony laharam-pahamehana ny fanolorany famelan-keloka ho antsika . Izany no mitarika antsika hatahotra sy hanaja ary hanome voninahitra an’Andriamanitra mandrakariva eo amin’ny fiainantsika (and 4)
2-Mendrika itokiana noho ny fitiavany (and 5-8)
Ny voambolana hoe : » miandry » na « manantena » no misongadina eto amin’ity perikopa ity dia hanehoan’ny mpanao salamo ny fitiavan’ Andriamanitra mahatoky , ilay loharanon’ ny fanantenana ho amin’ny famonjena . Io fitiavan’ Andriamanitra io no manefy ny olona hanana fatokiana sy fanantenana fa mamonjy amin’ny fotoan-tsarotra rehetra Andriamanitra . Tsy voafetran’izay zavatra ataon’ny olona ny fitiavan’ Andriamanitra fa na dia mivadika aza ny olona ,mbola mahatoky hatrany Izy . Hoy i Paoly hoe : « fa na dia matoky aza isika , dia mbola mahatoky ihany Izy , fa tsy mahazo mandà ny tenany » ( 2 Tim 2.13) . Raha mba sitrakao koa ny hoe : hametrahan’ny hafa fitokisana dia tokony hanana io fitiavana mahatoky io aloha ianao . Amin’izay , dia sady olon’ny fitiavana isika no olon’ny famindrampo .
Fanontaniana :
Iainanao miaraka amin’ny Fiangonana misy anao ve ny famindrampo sy ny fitiavana ambara eto ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM