Alahadin’ny FIFA

FANDAHARANA IOMBONANA

ALAHADY 8 NOVAMBRA 2020

Lohahevitra: “Miandrandra famonjena ny mino”

● Fiarahabana Apostolika.

  • Sal 18 : 2-3.
  • Hira :167.

● Vavaka fiderana.

● Sitrapon’Andriamanitra : Isa 45.22 “Sambatra ny mahitsy lalana …. “ Sal 32.(1-2)

  • Hira : 512: 1

● Fifonana

● Hira 409.

● Teny famelan-keloka : Isa 1 : 18 – 19

“Sambatra ny olona izay voavela ny helony ” Sal 119:(1-2).

  • Hira : FF 34.

● Fanekem-pinoana laharana faha.2

● Raharaham-piangonana sy famakina ny hafatra FIFA Foibe.

● Rakitra : Antoko Mpihira na Sampana na  Vaomieran’ny Fananana  na Hira 306

● Fanolorana ny rakitra – Hira : 275 :1.

● Fankalazana ny tenin’Andriamanitra :

  • Hira 212 :1
  • Vavaka
  • 5mn ny Sekoly Alahady
  • Hira FF.6 : 1

● Vakiteny : Sal 130 : 1-8 ; Lio 12 : 35-40 ;  Tit 2 : 11-15

● Hira FF.6 : 2

● Toriteny :

● Vavaka fangatahana + Rainay  izay any an-danitra …..

● Asa Vavolombelona

  • Hira FF 29  : 1

● Tsodrano : Fil 4 : 6-7.

  • Hira FF 29  : 2

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

…………………………………………………………………………………………………………………………….

HAFATRA AVY AMIN’NY KOMITY FIFA FOIBE FJKM.

Ho an’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana,

Ry Hava-malala ao amin’ny Tompo,

Hampitombona mandrakariva aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa nahatratra izao Alahadin ny Fifa 2020 izao indray na dia teo aza ny olana nateraky ny Covid 19 sy ny fiantraikan’ izany teo amin‘ny fiainan’ ny Fiangonana sy ny Firenena ary ny iraisam-pirenena mihintsy aza.

Ny Tenin’ Andriamanitra anefa dia mampahery antsika, fa  » Voageja manodidina izahay kanefa tsy tery » II Kor 4.8 a.

Koa dia manentana antsika hatrany mba hanefa ireo adidy tandrify antsika na eo amin’ny sehatry  ny Fiangonana na Synodamparitany na ny Foibe FJKM mba hanohana amin’ny vavaka sy ny fomba hita maso. Ankasitrahana ireo efa nanohana ny Fifa Foibe, ary isaorana koa ireo mbola hanao.

Dia tohizo hatrany koa ny fanoratana ny trano Fiangonana sy ny akany ary ny trano vadimpiangonana, sns…,  ho amin’ny  anaran’ny  FJKM.

Mametraka ny veloma mandrapihaona ary samy ho tahin’i Jesoa Kristy hatrany.

 “Noho ny fahatokiako fa hanaiky ianao no anoratako aminao, ka fantatro fa hanao mihoatra noho izay lazaiko aza ianao. (Joda 21).

                                               Amin’ny anaran’ny Komity FIFA

 Ny Filoha   

 RAKOTOARISOA Felix 

Ny Tale

RAKOTONDRABE ANDRIANAHARIJAONA Ndrianja, Mpitandrina

andrianaharijaona@gmail.com 033 37 991 38

……………………………………………………………………………………………………………………………….

FAMPIASANA GOOGLE MAPS SY SMARTPHONE

HAHITANA FANGITRA (Coordonnées) NY FIANGONANA

HALEFA ATY AMIN’NY FOIBE FJKM.

TANJONA : FANGITRA WGS84 NO HALAINA (Latitude et longitude)

  1. RAHA ORDINATEUR NO AMPIASAINA

SIG QGIS Fampiasana Google maps

Ohatra, FJKM Ambohitsitononina, aiza no misy azy?

Ao amin’ny ordinateur, soraty : Google maps Antananarivo,

Kitiho (clic) ilay sarintany hita eo,

Soraty Ambohitsitononina tahaka izao

Kitiho ny «loupe » na Return.

Akisaho ny sarintany mba ho eo ampovoany ny faritra misy ilay Fiangonana.

kitiho (clic) ny sary satelita (eo amin’ny Avadiho ho sary satelita ilay sarintany coin inférieur gauche).

Halebeazo ny sary satelita misy ny Fiangonana (zoom +), dia hakisaho raha ilaina.

Ataovy izany amin’ny teboka (points jaunes) hafa rehetra eny amin’ny sisin’ny faritry ny Fiangonana FJKM Ambohitsitononina.

  1. RAHA SMARTPHONE NO AMPIASAINA

FOMBA FAMPIDIRANA APPLICATION

Midira ao amin’ny Play Store

Télécharger-o ny Mobile Topographer

Midira ao amin’ny Mobile Topographer

Mankanesa amin’ilay toerana misy ny teboka (point) tiana halaina ny fangitra (coordonnées) tsindrina ny sarina saina

miandry kely, mipoitra ny fangitra.

FANAMARIHANA NY HANDRASANAY AMINAREO :

  1.  HALAIVO NY FANGITRY NY FIANGONANA, AKANY, TRANOVADIMPIANGONANA, SEKOLY, TANIMBOLY, SNS (IVONY SY MANODIDINA) SY NY SARINY.
  2.  LAZAO NA VITA TITRE @ FJKM NA TSIA ILAY TANY, NY NUMERO TITRE, ANARAN’NY TANY ARY NY HABENY RAHA MISY.
  3. SCANNER-NA NY PLAN RAHA MISY
  4. HALEFASO SMS NA MAILKA ATY AMINAY (FIFA) NY FANGITRA (COORDONNEES) SY IREO VOALAZA AO AMBONY IREO.

Telefonina: 033 14 785 55 na 034 98 198 87

Mailaka : andrianaharijaona@gmail.com na georgialalaniaina@gmail.com

……………………………………………………………………………………………………………………………….

TORITENY

ALAHADY FIFA 8 NOVAMBRA 2020

Tit 2.11-15

“Miandrandra famonjena ny mino ”

FAMPIDIRANA

I Titosy dia Mpitandrina nitondra Fiangonana tao Kreta, ary izany nosy izany dia nifamohivoizan’ny volontsaina maro karazana, tao ny fanompoantsapy izay niainan’ireo Jentilisa maro ka niteraka finoanoam-poana isankarazany.Teo koa ny fivavahana tamin’ireo andriamanitra maro sy Filozofia Grika izay heverina ho fahendrena sy hahazoana famonjena.

Ny Soratra Masina kosa anefa eo dia misarika ny saintsika fa raha te hiandrandra famonjena ny mino dia :

  1. Mila manda ny fampianaran-diso. (Tit 2.11-12)

Rehefa manana ny Fanahimasin’Andriamanitra ny olona iray dia afaka manavaka ny mety sy ny tsy mety, ny Fanahy avy amin’Andriamanitra na tsia. Ka izay toe-panahy tsy avy amin’Andriamanitra dia lavina, izay avy @ filan’izao tontolo izao dia apetraka (And 12).

Ary Jesoa rahateo dia tonga nanala sy nandrodana ireo fampianarandiso maro samy hafa izay nangeja teto  amin izao tontolo izao ka nampianatra antsika fa « raha fantatry ny olona ny ora hiavian’ny mpangalatra dia ho niambina izy » Lio 12.39. Izany hoe raha fantany fa hampidi-doza io zavatra ataony io dia tsy nataony.

Ry Havana, Alahadin’ ny Fitantanana ny Fananana anio manerana ny sahan’ny FJKM. Fahadisoana lehibe ny filazana hoe: ny fangalarana ny fananana ny FJKM dia tsy mampigadra. Tsia, diso izany fa fampianaran-diso, fa ahitan-doza ny fandrobana ny fananan’i Jehovah fa ny olona miandrandra famonjena tsy hoe miady amin’ny fampianaran-diso ihany fa koa

2-Mandray ny fampianarana marina. (Tit 2.13-15)

Fanantenana mahafinaritra sy famonjena antsika omen’i Kristy maimampoana ny famonjena, ary famonjena mahafinaritra izany andrandraintsika izany satria fiainana mandrakizay. Ary io antenaina sy inoantsika rahateo io no nandrandrain’i Davida.Tena tsy misy ao amin’ny Sal 130.1-8  “Ary ny teniny no antenaiko

Ry Havana, ny tena fampianarana marina sy mitondra famonjena dia efa zaraina amintsika isan- kalahady ao am-piangonana.

Koa raiso sy ankatoavina izany dia ho voavonjy ianao.

FAMARANANA

Koa andeha ary isika hihoby mandrakariva ny Tompo, ary hihevitra mandrakariva ny fitsarana hataony satria hiverina amin’ny heriny Izy Tompo, ka tsy famonjena sy fibebahana intsony no andrasana amin’izay fa efa ny valin’asan’ny tsirairay.

RAKOTONDRABE ANDRIANAHARIJAONA Ndrianja, Mpitandrina.

Tale Fitantanana ny Fananana, Foibe FJKM

……………………………………………………………………………………………………………………………….

                         RAKITRA SY FANOMEZANA 2019

SP 05 AMBATONDRAZAKA VAOVAO

Vohidiala Finoana10 000

SP 06 AMORON’I MANIA AMBOSITRA

Ambohibary Iary4 100
Ambatomenaloha34 800
Ankazofotsy11 000
Ambovombe4 000
Imerina16 500
Ambalamanana Iary3 700
Marosoa19 000

SP 10 ANTANANARIVO ANDREFANA

Ambohimena Fahasoavana41 800
Ambohijafy Fanantenana40 000
Ambalavao Isotry60 000
Ambohijatovo Fitiavana50 000
Ambohipeno Fahazavana15 000
Fiakarana Jerosalema Vaovao21 500
Ambodihady Vaovao30 000
Ziona Fahazavana Anosibe100 000
Kristy Fanantenana Antohomadinika240 200
Isotry Fitiavana730 300
Anosizato Hebrona194 900

SP 11 ANTANANARIVO ATSIMO

Ambodizozoro14 000

SP 12 ANTANANARIVO ATSINANANA

Anonimasina Ziona55 600
Manohisoa Fitiavana20 000
Tranovato Faravohitra866 100
Ambohimiandra100 600

SP 13 ARIVONIMAMO

Ambohinierana Fanantenana70 700

SP 15 ATSIMON’IARIVO MIRAY

Antanetibe Maromby2 900
Ampangabe Famonjena38 100
Soamanina Fanavaozana4 700
Tsarazaza Finoana9 100
Andranovelona Fitiavana3 900

SP 19 IARIVO AVARADRANO

Tranovato Ambatonakanga100 000
Ambohipanja103 200
Amboditsiry50 000

SP 27 MIARINARIVO FAHAZAVANA

Ankoatrabe4 200

SP 31 TOAMASINA VAVAHADIN’NY FILAZANTSARA

Zoara Famonjena Ankirihiry70 000

SP 38 ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA

Ambatolampy Antampotanana343 600
Bezezika Finoana11 300

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV